- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-Divers« Nanotra » vazaha : Mpitandro ny filaminana efatra nohadihadiana

« Nanotra » vazaha : Mpitandro ny filaminana efatra nohadihadiana

Tsy namelan’ilay vazaha raha tsy tonga teny anivon’ny sampana misahana ny heloka nataon’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha. Notoriany mivantana ireo efa-dahy nisahana ny fiambenana ny boriborintany iray teto an-drenivohitra tamin’ny alin’ny nitrangan’ilay heloka. Toy izao ny zava-nisy : raha nandeha an-tongotra irery tamin’ny alina ilay teratany vahiny dia natao ny fisavàna ny taratasiny. Rehefa tsy nisy ny azo nokianina, satria nisy avokoa izay notadiavina, dia ny karinem-bakisiny indray no notakiana. Vakisiny inona moa ? Sady tsy voafaritra izany no tsy takiana rahateo raha hiditra eto amin’ny firenena malagasy. Rehefa nanazava ilay vazaha fa tsy manana izany dia nanomboka teo amin’izay ny filam-baniny rehetra. Tonga tamin’ny hoe hosamborina raha tsy misy ny fandaminana. Koa satria be noho ny vitsy ary koa norahonana, dia nanaiky ny hanao fandaminana ilay vazaha. Notakiana iray tapitrisa ariary izy ary tsy nanana afa-tsy 600.000 ariary. Niady varotra ihany izy fa tena tsy nety hatramin’ny farany ireo mpitandro ny filaminana. Natao izay nikarohana vola tamin’ny andro alina ary ny niafarany dia feno ihany ny vola notakiana. Saingy andro vitsivitsy taorian’izay dia nipetraka ny fitoriana, araka ny voalaza etsy ambony. Fanerena olona hanome vola ary kolikoly no nitondràn’ilay vazaha azy. Omaly dia natao ny fijerena ny tarehin’ireo mpitandro ny filaminana izay niasa tamin’iny alina iny ary tena nisy tadidiny tokoa ka notazominy. Handray ny andraikitra mifanandrify amin’izany ve ny mpanao fanadihadiana sa ho vitan’ny kiantranoantrano indray ?

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici