- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversNaolana dia notapahin-doha : Maty voatifitry ny BC ny namono ilay zazavavy

Naolana dia notapahin-doha : Maty voatifitry ny BC ny namono ilay zazavavy

crimeTsy nisy tsy nihoron-koditra izay namaky ny gazety tamin’ny herinandro teo ka nahita ny vaovao mahakasika ity zazavavy 12 taona. Notapahina ny lohany sy ny tanany mba ho tafiditra ao anaty gony. Niboridana tanteraka izy ary feno rà. Izay no natsingevan’ny rano tetsy Ikopa ny 8 desambra teo. Noraisin’ny “brigade criminelle” eo anivon’ny pôlisy ny fanadihadiana, amin’ny maha-heloka bevava ny raharaha. Natao ny famantarana ny zaza izay tamin’ny voalohany dia nandeha ny feo fa hoe nohanin’ny biby rehefa natsipy tao anaty rano. Toe-javatra izay tsy mitombina velively rehefa tena nojirihan’ny mpitsabo manam-pahaizana ilay razana. Hita fa nisy fanolanana ary koa olombelona no nanapaka ny loha sy ny tanan’ilay zaza. Fantatra ary rehefa nandeha tsikelikely ny fanadihadian’ny pôlisy, fa zazavavy kamboty ray sy reny izy io ary mipetraka amin’ny renibeny eny Talamataty. Nanomboka tamin’ny 5 desambra izy no nolazain’ny renibeny fa tsy hita izay nanjavonany, izany dia rehefa nentin’ny nenitoan’ilay zaza tany aminy izy mba hiaraka hampifana aminy ny havany tera-bao, eny Ambohitrimanjaka. Ny zava-nisy anefa, raha ny tatitry ny pôlisy hatrany, dia nentina teny Andohatapenaka io zaza io ary tao no namonoana azy. Naolan’ny raim-pianakaviana tsy mataho-tody aloha, ary izany rehetra izany dia teo imason’ny zanany telo. Ireo zaza ireo dia norahonana ho faty mba tsy hiteniteny ny zava-nisy. Ny renim-pianakaviana indray dia nilaza fa nanao ny asany andavan’andro, dia ny mivarotra eny Talatamaty izany. Rehefa tafaverina izy no nahatsikaritra fa tsy tao intsony ilay zaza ary tsy vitan’izany fa nisy silipo mihosin-drà teo ambony fandrian’izy mivady. Ny alin’ny 4 desambra izany izy no naolana dia novonoina. Rehefa vita ilay filan-dratsy dia novonoina sy notapahina ny lohany sy ny tanany havia. Natao tao anaty gony nony avy eo ary nariana teny amin’ny ranon’Ikopa ny marainan’ny alatsinainy 5 desambra, tokony ho tamin’ny 3 ora. Nilaza ilay ramatoa renim-pianakaviana izay nitondra io zaza io tao an-tokatranony fa rehefa nody avy nivarotra ilay vehivavy tompon-trano vao nahafantatra ny zava-nisy rehetra ary mbola nahita ny silipon’ilay zaza nihosin-dra teo ambonin’ny fandrinan’izy mivady. Ilay zanany lahy kely vao valo taona no nitantara ny zava-nisy. Tsy sahy nampandre ny manampahefana ilay ramatoa noho ny tahotra sao hovonoin’ny vadiny. Ny reniben’ilay zaza kosa izay tsy nahafantatra na inona na inona dia nihevitra fa very ny zafikeliny ka nanao ny fitadiavana. Nandritra izay, rehefa henon’ilay rangahy tompon’antoka tamin’ny heloka bevava fa hita ilay faty, natsingevan’ny rano, dia iny izy no nitsoaka niala ny tanàna ary nizotra tany Ampitatafika-Antanifotsy. Nivezivezy be ny tenany nandritra ny fitsoahana ary nisy angom-baovao nanamarina tampoka fa any Anosibe no ahitàna azy. Nidina teny ny pôlisy avy ao amin’ny BC ary nanao ny fisamborana. Nandritra ny nitondràna azy ho eny amin’ny biraon’ny pôlisy dia nanazava ireo farany fa nosintominy ny basin’ny iray tamin’ireo ary saika hotifiriny ireo nisambotra azy. Ny an’ny pôlisy anefa no tonga aloha ary dia lavo teo ilay rangahy antsoina hoe XXXXX. Koa satria heloka bevava no nitranga ary ahiana ny nisian’ny firaisan’io farany tsikombakomba tamin-dramatoa vadiny – izany dia voaporofo tamin’ny fanafenany ny zava-nisy sy ny nitondràny ilay zaza tao an-tokantranony – dia notazomina ihany koa izy ary natolotra ny fampanoavana omaly rehefa vita ny fanadihadiana azy. Naolana dia novonoina teo imason’ny zanany telo. Asa inona no tena tanjon’ilay lehilahy na koa ny mety ho tombotsoany tamin’izany? Raha tsy maty izy dia nigadra mandra-pahafaty, noho ny tsy fisainana kely tao anatin’ny alina iray monja…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici