- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversPolisim-pirenena Toamasina renivohitra : Natomboka ny hetsika « SARIKA » hametrahana filaminana

Polisim-pirenena Toamasina renivohitra : Natomboka ny hetsika « SARIKA » hametrahana filaminana

Manao hetsika « SARIKA » ny polisim-pirenena tarihan’ny talem-paritra ny filaminana anatiy eto Toamasina. natomboka ny herinandro nivalona iny ny hetsika, ka nitetezana ireo fokontany maro teto Toamasiina nanentanana ny isam-pokontany amin’ny filaminam-bahoaka. Mandray anjara amin’izao hetsika avokoa ireo polisim-pirenena rehetra ahitana ny « commissariant central », ny boriborintany voalohany ao Tanambao II, ary polisy ny boriborintany faharoa Mangarano.

Nandritra ny hetsika natao andiany voalohany dia nisy ny fanentanana isam-pokontany sy ireo koperativa miasa eto Toamasina nataon’izy ireo, ka isan’ireny ny fiantsonan’ny fiara taksibrosy mpianatsimo eny Ambolomadinika. Nisy ny fampahafantarana ireo mpamily fiara taksibrosy ny lalan’ny fifamoivoizana nisorohana ny loza itranga tao anatin’ny paska teo iny ; teo koa ny fanentanana ireo mpamily amin’ny zava-mahadomelina izay tena fositry ny loza an-dalama-be amin’ny lalam-pirenena eto amintsika.

Ankilan’izay dia nisy koa ny fidinana nitety ireo fokontany maromaro tao Ambolomadinika, nihaonana sy nitafana tamin’ireo vahoaka sy ny filoham-pokontany nijerana miraka ny olan’ny tsy fahandriampahalemana eny amin’ireo fokontany eto Toamasina. Izany dia fametrahana ny fifampitokisana eo amin’ny polism-pirenena sy ny vahoaka isam-pokontany eto Toamasina, satria « polisy miaro vahoaka » sy « polisy ho an’ny vahoaka » no tanjona amin’izy ireo. Tao anatin’izany koa ny fanentanana ireo mpitondra kodiaran-droa ny mba ampiasana ny fitaovana fiarovana ho azy ireny, fa indrindra ny aroloha manaraka ny fenitra sy ny fanarahana ny fetra amin’ny fitondrana olona eo ambonin’ireny moto ireny.

Ankoatra izany dia tsy adinon’ireto polisim-pirenena ireto ny fampitandremana amin’ny fidorohana zava-mahadomelina izay fosotro iray mahatonga ny tsy filaminana eto Toamasina, ka nentan’izy ireo ny vahoaka ny mba tsy hifoka azy ireny. Nisy moa ny fisavana nataon’ireto polisim-pirenena ireto ny alin’io hetsika tao Ambolomadinika sy Mangarivotra io ihany, ka nisava ireo mpandeha andro alina tao an-toerana, sy nanadiovana ilay tsena atao hoe « bazarim-borondolo » eo Ambolomadinika izay famarotana entana halatra eto Toamasina. Mbola hitohy amin’ireo fokontany hafa ny hetsika atao ao anatin’ny hetsika « SARIKA » hoy ny talem-paritry ny filaminana anatiny, commissaire Rakotovao Jean Christian.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici