- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilÀ lireAlasora : Navotsotra ireo mpigrevy nosamborina

Alasora : Navotsotra ireo mpigrevy nosamborina

Tsy niandry ela fa raha vao nilamindamina fotsiny ny fihetsiketsehana dia efa navotsotra ireo mpanao fihetsiketsehana nosamborina tetsy Alasora ny harivan’ny alakamisy teo. Miisa roa izy ireo raha hiverenana kely. Ny alin’iny ihany dia efa afaka nody tany amin’ny fianakaviany. Etsy ankilan’izay, tsy ela koa dia niverina ny rano tamin’ny fokontany sasantsasany teo anivon’ny kaominina. Saingy rano faran’izay ambany ny fandehany, toa nentina namonoana afo fotsiny. Mbola tsy afa-po arak’izany ny mpanao fihetsiketsehana, indrindra fa ireo izay tena tsy nahazo rano mihitsy hatramin’izao. Tsiahivina fa efa amam-bolana no tapaka ny rano tamin’iny kaominina iny. Efa ela ihany no nisintona lakolosy ny maro saingy tsy nisy nihaino. Ny alakamisy teo dia nanapa-kevitra ny solontenam-pokonolona ny nanatona ny ben’ny tanàna ary niaraka nitady vahaolana. Ny harivan’iny dia tsy tàna intsony ireo fa niara-nirohotra sy nandrehitra kodiarana. Tonga ny mpitandro ny filaminana ary nanao ny fisamborana. Toa mainka koa izany nandrehitra ny afo saingy mba tsy naharitra dia navotsotra ny olona ary nilamindamin-dratsy ny raharaha. Tsy mbola nanome ny teny farany ny mponin’Alasora na niverina kely aza ny rano. Raha ny tsikaritra dia mbola mandinika tsara izy ireo raha misy fivoarany ny famatsiana na tsia. Ary dia eo no manapa-kevitra ny amin’izay mety ho tohiny.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici