Tsy famadihana na fora zaza akory no nisy tamin’iny lalan’Anosibe nihazo an’i Namontana iny omaly fa hetsiky fotsy nataon’ireo mpanara-dia ireo vondron’ny kandidà. « Revy bampampa » izay nalaky voarava haingana noho ny fahatongavan’ireo mpitandro filaminana avy eo anivon’ny Emmo, niala kely ny sampan-dalana, mivoaka etsy Ankadimbahoaka. Raha ny omaly, dia tetsy Anosy, ampitan’ny voninkazo no nataon’ireo mpanaraka ny hetsika fotsy ho ambohimpihaonana. Nihazo an’Anosibe iny izy ireo, rehefa nihaona tamin’ireo mpitarika ary nizotra an’i Namontana, nialohavan’ny mpitsoka mozika. Mazava ho azy, maro tamin’ireo mpanaraka sy ireo mpijery no nandihy, nihorakoraka sy nitsoaka « siflet » ary nilanja soram-baventy. Tsy lavitra hatrany ireto mpanao fihetsiketsehana ireo mpitandro filaminana, nandamina ny fitohanana sy ny fifamoivoizana tamin’ireo lalana nandalovan’izy ireo. Ho an’ireto farany dia efa nisy maromaro tamin’izy ireo ihany no tonga niantrana tetsy Anosy vao maraina, nialohan’ny hetsika. Tokony ho tamin’ny iray ora sy sasany atoandro tany no nanapa-kevitra ny handrava amin’izay ity « revy bampampa miloko fotsy » ity ireo teo anivon’ny Emmo. Na dia teo aza ny horakoraka isan-karazany sy tsy fanekena nataon’ireo olona marobe dia azo lazaina fa am-pilaminana ihany no nifaranan’ny hetsika, teny an-toerana omaly.
m.L