Teny amin’ny trano filanonana Mangarano II tao amin’ny “la Marmite” no natao ny fankalazan’ny fikambanan’ny mpanao Gazety Toamasina ny taom-baovaony tamin’ity taona 2024. Tsy tontosa izao anefa raha tsy teo ny fiaraha-miasa tamin’ny Oniversiten’i Toamasina Barikadimy sy ny faritra Atsinanana ary ireo mpiara-miasa samy hafa amin’ny mpanao gazety. “Mpanao Gazety miroso amin’ny fampandrosoana amin’ny lafiny rehetra…” ny tanjona napetraka nandritra izany, ao anatin’ny fanajana ny fitsipi-pitondran-tena samihafa mifehy ny mpanao gazety. Nanao tatitra ny asa vita tao anatin’ny taona 2023 sy ny asa vinaniana hatao amin’ity taona 2024 ny mpanao gazety rehetra nandritra izany, teo koa ny fandravonana ny disadisa mety nisy teo amin’ny samy mpanao gazety mba hahafahana miroso amin’ny tanjona hiara-manana. Niatrika izay ny filohan’ny oniversiten’i Toamasina sy ny mpiara-miasa taminy; teo koa ny filoha lefitry ny antenimierampirenena avy eto Toamasina; ary ny governoran’ny faritra Atsinanana teo aloha, notronin’ny mpiara-miasa aminy ihany koa. Tsy diso anjara tamin’izany ireo olona maro nasaina nandritra izany fety nokarakarain’ny Fikambanana Mpanao Gazety Toamasina izany. Ny masoandro mody no nampalahelo nandritra izany lanonana izany.
Malala Didier