- Publicité SW45 -
mardi, août 27, 2024
AccueilFaits-DiversFenoarivo Besakoa - Mahajanga II : Nidiran'ny fokonolona an-keriny ny lakazeran'ny Zandary

Fenoarivo Besakoa – Mahajanga II : Nidiran’ny fokonolona an-keriny ny lakazeran’ny Zandary

Potika ny 80 isan-jaton’ny birao, natao takalon’aina ny lefitry lehiben’ny Zandary. Mitatatatata ny tifi-danitra amin’ny alalan’ny fanapoahana basy nataon’ny mpitandro ny filaminana amin’ny famerenana an’ireo fokon’olona niditra amboletra tao amin’ny lakazeran’ny zandary, tany amin’ny tanànan’i Fenoarivo Besakoa, any amin’ny disitrikan’i Mahajanga faharoa. Raha ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana hatrany dia ny alarobia faha 10 jolay taona 2024 teo no nisy olona hita faty tany amin’ny toerana atao hoe Ambovonomby, kaominina Mahajamba  » Usine, » izany hoe nisy namono tokoa ilay olona voalaza etsy ambony raha ny feo mihely etsy sy eroa any an-toerana. Taorian’izay anefa dia niparitaka ny feo sy ny tsaho fa voasambotry ny zandary ilay olona tompon’antoka tamin’ny famonoana. Kay tsy marina ilay vaovao re fa mbola karohin’ny mpitandro ny filaminana fatratra ny olona ahiahiana tamin’ity famonoana nahafaty olona ity. Ny angom-vaovao hatrany no nahalalana fa olona manodidina ny efa-jato 400 sa no tonga teny amin’ny biraon’ny zandary, hitady an’io olona nolazaina fa tratran’ny zandary io, hatao fitsaram-bahoaka. Niezaka nanazava tamin’izy ireo ny zandary amin’ny tsy fisian’izany olona izany, saingy tsy nino ireto farany. Vetivety teo dia ny zandary indray no nitezeran’izy ireo, sady tsy niandry ela ireto farany fa nopotehan’izy ireo ny birao, hany ka simba hatrany amin’ny valopolo isan-jaton’izany. Tsy vitan’izay fa mbola nataon’ireo takalon’aina ihany koa ny lefitry ny lehiben’ny zandary any an-toerana. Soa ihany fa votsotra avy eo. Nidina nalaky nandamina ny toe-draharaha ny zandary maro sy ny miaramila avy ao Mahajanga tampon-tanàna. Raha ny fampitam-baovao avy amin’ireo namana mpanao gazety ao amin’ny renivohitran’ i Boeny, dia efa any ihany koa ny  » kaomandan’ny zandarimariam-pirenena. »

 Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici