- Publicité -
mardi, mai 6, 2025
AccueilFaits-DiversViavy Chila : Nidiran’ny mpangalatra ny tranony

Viavy Chila : Nidiran’ny mpangalatra ny tranony

Amin’ny andro antoandrobe nanahary no niditra ny olon-dratsy omaly. Tetsy amin’ny tranon’ny mpanakanto malaza Viavy Chila no niseho izany, tetsy Ambohipo. Trano misy tamboho, izany hoe mifefy tsara, kanefa dia tafiditra tao ilay mpangalatra. Niditra avy hatrany tao amin’ny trano fandraisam-bahiny ary nalainy ny solosaina izay nipetraka tsara tao. Soa ihany fa sendra nisy ankizy nahita ny zava-nitranga. Nitsoaka avy hatrany ny mpanao ratsy. Raikitra ny antso vonjy ary vetivety dia vory lanona Ambohipo. Nifanenjehana ary tsy lasa lavitra dia tratra ilay lehilahy sahabo ho 35 taona. Sosotra mafy ilay mpanakanto saingy mba nitony ihany ny fony ka nanakana ny olona tsy hanao fitsaram-bahoaka. Efa tezitra koa manko ny manodidina satria dia efa saika niharan’ny halatra toy izany avokoa. Ary ny mahatalanjona dia solosaina hatrany no alain’ny olon-dratsy izay raha tombanana ny fanazavan’ny maro dia mety ho io lehilahy io hatrany. Tsiahivina fa vao haingana koa no nisy toeram-piasàna izay nidiran’ny olon-dratsy teo an-toerana. Hita tamin’ny “camera de surveillance” avokoa ny momba azy saingy tsy hita ilay olona mandrak’androany. Efa nipetraka avokoa ny fitoriana momba io raharaha io ary azo heverina ny fitohizan’ny fanadihadiana avy amin’ny nahazoana ity lehilahy tratra nangalatra tetsy Ambohipo ity. Nantsoin’ny mpanakanto ny polisy ary naka ilay olon-dratsy omaly ihany. Malaza ho efa mpamaky trano eo amin’ny manodidina an’Ambohipo ilay lehilahy raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso azy. Efa mahafantatra azy koa ny fokontany ary nanamarina fa olon-dratsy izy. Sosotra ny olona saingy mba nahavita nanindry fo ihany ka mba voafehy ny fitsaram-bahoaka na dia efa maro aza no niaka-peo toa ny hoe : “ataovy amin’ny fanaovana azy”. 

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

5 Commentaires

  1. Viavy Chila nifindra monina eto Tana koa.
    Antananarivo ne peut pas accueillir tout le monde. Il ne faut pas s’étonner de voir tous ces problèmes de déchets, de eaux usées, faute de canalisations suffisantes, les problèmes sociaux ( cambriolages, meurtres amin’ny fomba hafahafa …, drogues).
    Be loatra ny isany mponina.

    • KUNTO Patriote Gasy d’Antananarivo :
      Antananarivo appartient aux Malagasy jiaby , tout ces problèmes que vous citer c’est à cause des politiciens incapables , faut pas se tromper de coupables é é é é é é

    • Kunto ny Patriote Gasy d’Antananarivo :
      Vous préféré plus les poubelles qui déborde – les canniveaux répugnant … etc …. ????😥😥😥

      Vahiavy Chila la REINE du salegy 😍😍😍

  2. Kunto ny Patriote Gasy d’Antananarivo :
    Vous préféré plus les poubelles qui déborde – les canniveaux répugnant … etc …. ????😥😥😥

    Vahiavy Chila la REINE du salegy 😍😍😍

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici