- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversGovernora ny faritra Atsinanana : Niditra nijery ifotony ny vidim-bary

Governora ny faritra Atsinanana : Niditra nijery ifotony ny vidim-bary

Ny alarobia 19 febroary teo dia nidina nijery ifotony ny vidim-bary teny an-tsena ny governora Atsinanana mpisolo toerana, niaraka tamin’ny talem-paritry ny varotra sy ny fanjifana eto Toamasina, ary ireo ekipa samy hafa mifandraika amin’izay. Araka ny hitan’izy ireo teny an-tsena dia misy fidinany tokoa ny vidim-bary taorian’ny fiakarany farany teo, ka nahatonga ny governemanta nandray fepetra mba hampidinana izany eny an-tsena. Raha ny nambaran’ny talem-paritry ny varotra sy ny fanjifana dia tratra ny tanjona nokendren’ny fanjakana ny mba hampidinana ny vary nafarana ho 750 Ariary, satria saika izao avokoa ny kapoaka ny akamaroan’ireo vary teny an-tsena nojeren’ny governora Atsinanana, satria manodidina ny 2.500 Ariary hatramin’ny 2.600 Ariary ny kilao amin’ireo vary nohafarana ireo. Voalaza ihany koa fa manaraka ny torimarika avokoa ireo mpivarom-bary amin’ireo distrika samy hafa ato anatin’ny faritra atsinanana afa-tsy Marolambo noho ny halavirany ka mahalafo ny fitaterana azy ireny makany. Nisaotra ireo mpivarotra ny governora Atsinanana amin’ny fitsinjovana ny mpanjifa eto amin’ny faritra ao anatin’izany rehetra izany.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici