Raha ny tao Ambatosoratra Ambatondrazaka ny marainan’ny faha 13 Novembre 2017 teo no nahoraka ny tsaho fa hisy ny fanaovana vakisiny pesta ka nandeha nilefa nody avokoa ny mpianatra dia nitohy tao Amparafaravola sy Ampasikely ary Morarano sy ny manodidina izany ny Talata faha 14 Novembre 2017 lasa teo ka samy naka ny zanany avokoa ireo ray amandreny ary dia tao anatin’ny tebiteby sy ny tahotra moa ireo kilonga madinika tamin’izany fotoana izany , satria samy nitondra ny zanany nody avokoa ny ray amandreny .Nandray andraikitra nidina nijery ifotony ny avy tao amin’ny prefekitiora sy ny tao amin’ny fampianarana nilaza ny tsy fisian’izany vakisiny izany tamin’ireo mpianatra sy ny mpanabe ,ary nanamafy fa raha misy ny olona manely tsaho sy manakorontana dia tokony hampandre haingana ny mpitandro ny filaminana ny rehetra.Efa miverina mianatra avokoa ny mpianatra amin’izao fotoana izao raha ny tapakandro ihany no tsy nianatra tamin’ireo andro voalaza ireo fa samy mametraka soratra amin’ny vavahady hoe “tsy misy vakisiny pesta”
Janus R