Alatsinainy amin’ny 11 ora alina. Nitatata, nanaitra mafy ireo mponina efa samy rendrika tao anaty torimasony, ny poa-basy maromaro nifanaovan’ireo zandary mpanao fisafoana avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Ambavahaditokana sy ireo olon-dratsy, nihaodihaody teny an-toerana. Ankevitry ny efa mikendry sy hikasa hanao fanafihana tokatrano teny amin’iny faritra Valomanga iny. Raha ny fampitam-baovaon’ny zandary tokoa mantsy dia nisy niantso izy ireo mahakasika ireto roalahy hafahafa fihetsika tsy mitsahatra ny mivezivezy eny an-toerana, andro misasakalina. Tsy lavitra teo ireo mpanao fisafoana ka niezaka nanao savahao ny manodidina. Indreo eo tokoa, nifanena tamin’ireto roalahy voalaza. Vantany vao nahita ireto zandary anefa ireto farany, avy hatrany dia namoaka fitaovam-piadiana tany am-balahany ary nitifitra tsy tam-pisalasalàna ireto mpitandro filaminana. Voatery nanao fiarovana ary namaly tifitra ihany koa ireto zandary. Antom-pisian’ny poa-basy maromaro nandrovitra ny alina teny Ambavahaditokana teny. Vokatr’izay fifampitifirana izay, olona iray no lavo : iray tamin’izy roalahy mpihaodihaody amin’ny alina. Rafitra nitsoaka kosa ilay namany raha vao nahita ity farany lavo tamin’ny tany. Tamin’ny fizahana ny razana no nahafantarana fa efa tsy zoviana amin’ireo zandary intsony ity olona maty voatifitra ity. Voalaza mantsy fa iray tamin’ireo jiolahy nanafika tokatrano teny Ambohidralambo ny andron’ny mpifankatia teo izy ireo, izy naharatrana vehivavy iray ary nahaverezena vola 75 tapitrisa ariary. Marihana fa hita tsy lavitra ny toerana nahalavoan’ity jiolahy ity ihany koa ny basy poleta vita gasy iray niaraka tamin’ny sabatra lava lela, izay heverina fa saika nampitondra faisana olona hafa indray, raha tsy izao voasakana izao. Mbola mitohy kosa ny fanaovana hazalamabo sy ny fikarohana ilay namany.
m.L