- Publicité -
vendredi, novembre 21, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAlasora : Nigadra fa nangalatra kisoa, voasambotra indray noho ny halatra moto

Alasora : Nigadra fa nangalatra kisoa, voasambotra indray noho ny halatra moto

Roa lahy ikoizana tanteraka noho ny resaka halatra moto no voasambotry ny zandary ny herinandro lasa teo, teny amin’iny faritra Alasora iny. Voalaza fa ny iray amin’izy ireo dia efa gadra lava, voaheloka an-tranomaizina talohan’ity nahatratrarana azy ity indray, noho ny resaka halatra biby fiompy.

Ny faramparan’ny volana oktobra lasa teo, nitrangan’ny halatra moto teo Amboaroy Alasora. Moto scooter Yamaha Cygnus no lasan’ireo olon-dratsy rehefa nipetraka teo an-davarangana. Nametraka fitarainana avy hatrany teny anivon’ny zandary ny tompony ary nanomboka ny fikarohana ilay moto sy ny olona tompon’antoka. Telo ndro taty aoriana, hoy ny fampitam-baovaon’ny zandary, no hita ity kodiaran-droa ity saingy efa niova tanteraka ny lokony kanefa mbola nisy marika nahafantarana azy ihany. Efa tsy tazana teo amin’ny toerana intsony moa ny olona nitondra azy tamin’izay fotoana izay. Voalaza fa nitsoaka io raha vao nahita mpitandro filaminana. Nitohy hatrany araka izany ny fanadihadiana ary niafara tamin’ny fisamborana ity mpangalatra kisoa taloha ity. Nampangain’ny zavatra hita tao aminy ingahy, satria mbola nahitàna karazan-kojakoja momba ny moto tsy hainy nohazavaina sy tsy fantatra fototra tao aminy. Raha ny fanazavan’ny zandary mantsy dia efa raindahiny amin’ity resaka ity ilay olona voasambotra. Ny moto azony mantsy dia na miova loko na ataony “kotoleta” ka mivadika ho “piesy bônôka” ( occasion) hamidiny tsikelikely avy eo. Marihina fa tsy miasa irery ranamana amin’izany fa misy ny namany ary  efa voasambotra ihany koa ilay io. Samy voatazona eny amin’ny biraon’ny zandary avokoa moa izy roa lahy ireo, ho amin’ny famotorana azy, mandra-piandry ny fanolorana azy ireo eny anivon’ny Fampanoavana. Izao tokoa izany ilay hoe, niha-matihanina kokoa ingahirainy tamin’ny “asany” izany. Nanao “level up” kely araka ny fomba fitenin’ireo mpandraharaha. Tsy nahaomby tamin’ny resaka kisoa, dia niakatra avoavo kokoa tamin’ny halatra kodiaran-droa…

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

  1. Sois tu Voles le KAMANKORY!!!
    Sois tu Voles la MOTO !!!!
    Pas les DEUX mon camarade !!!!
    Il ne faut jamais Courir DEUX Lièvres à la fois !!!!

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici