- Publicité SW45 -
vendredi, janvier 3, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversGoverinoran’Analanjirofo : Nihaino ny hetahetan’ireo vahoaka Nihainoany ambany ravinkazo

Goverinoran’Analanjirofo : Nihaino ny hetahetan’ireo vahoaka Nihainoany ambany ravinkazo

Ny Goverinora nitsidika ireo fokontany maro tany amin’ny kaominina Vohilengo

Tsy very anjara ary tsy misy adino ireo fokontany lavitra sy ambany ravinkazo rehetra any amin’ny lafin’ny fampandrosoana. Izay no tanjon’ny Faritra Analanjirofo, izay vina napetraky ny fitondram-panjakana rahateo. Anjaran’ny tao amin’ny kaominina Vohilengo, ireo fokontany miisa 9 any amin’iny tapany atsimon’ny kaominina iny indray no notsidihan’ny Goverinoran’ny faritra Dr Randrimanantena Marcellin. Fihainoana ny marary amin’ireo vahoaka any ambanivohitra amin’ny lafiny maro no tanjona, hoy ny fanazavana azo. « Fanirian’izy ireo ny ahazo kaominina vaovao, ny ahavitan’ny lalana mampitohy an’ny Ambolomadinika sy Vohilengo ary mipaka hatrany amin’ny Distrikan’ny Vavatenina, ny fanarenana ny tranon-tsekoly rava ary ny hamadihana ny Case Sanitaire ao an-toerana ho lasa Tobim-pahasalamana ». Vonona ny hamaly ny hetahetan’izy ireo moa ny Goverinora ka hiaraka hidinika amin’ireo tompon’andraikim-panjakana isan-tokony avy. Nisy moa ny fanolorana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa teo sy « megaphone » anankiroa ho an’ny fokontany Ambolomadinika sy Vohilava. Hovatsiana rano fisotro madio ihany koa any an-toerana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici