Somary nahazo vahana ny resaka tsy fahandriam-pahalemana ao amin’ny distrikan’Ankazobe tato anatin’ny herinandro maromaro izay. Niverina nampitondra faisana ireo mponina ao amin’ireo kaominina ambanivohitra ao amin’ity distrika ity ny resaka fakana an-keriny. Mahatsapa ny zandary fa na dia eo aza ny ezaka sy ny asa andavanandron’ireo mpitandro filaminana, dia toa manao ny ataony ihany ireo olon-dratsy. Hatramin’ny omaly alahady 10 desambra dia mbola miisa 8 ireo olon-tsotra no tazomin’ireo dahalo an-keriny. Ao anatin’ny fikarohana tanteraka ireo mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao, ary andro aman’alina ny hetsika ataon’izy ireo ao anatin’ny distrikan’Ankazobe sy ny manodidina. Ary misy hetsika fampandrian-tany maharitra any an-toerana ankehitriny. Tsy nionona tamin’ny fahazoana tatitra sy ny fibaikoana fotsiny manoloana izany ny jeneraly RAkotondrazaka Andry, komandin’ny Zandarimariam-pirenena fa nidina ifotony mihitsy ny alahady teo. Niara-dia taminy nandritra izany ny Jeneraly komandin’ny ZDS Ikopa, ny Komandin’ny fari-piadidian’ny Zandarimaria Antananarivo ary ireo mpiara-miasa aminy akaiky. Teo ny fametrahana paikady miaraka amin’ireo zandary sy tafika, izay mifanome tanana amin’ity ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana ity ao amin’ny distrikan’Ankazobe, fa namory ireo olom-panjakana ihany koa ny tenany ho Tagnamaron’ny fandriam-pahalemana. Laharam-pahamahena ny ady sy ny famongorana ity asan-jiolahy ity. Eo ihany koa ny fanavotana ny ain’ireo takalonaina, ary indrindra ny fisamborana ireo dahalo tompon’antoka amin’izany. Nojerena manokana omaly ny kaominina ambanivohitra Mahavelona, izay isan’ny nitondra faisana tamin’ity resaka fakana an-keriny ity. Niresaka mivantana tamin’ireo vahoaka ny tenany no sady nihaino ary nandray ny fitarainana sy fangatahana, mba hialàna amin’ny tsaho miparitaka amin’ny tambazotran-tserasera. Niantso fiarahamientan’ny rehetra ny Jeneraly Rakotondrazaka Andry, hamongorana ny tsy fahadriam-pahalemana. « Miainga ety ifotony ny loharanom-baovao, ary amin’ny alalan’izany ihany no ahafahana mikaroka ny marina momba ity resaka fakana an-keriny ao Ankazobe sy ny manodidina ity », hoy izy.
Yv Sam