- Publicité SW45 -
samedi, décembre 14, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMaevatanàna an-tampon-tanàna : Nijery ireo milina miisa roa vaovao fampandehanana ny jiro...

Maevatanàna an-tampon-tanàna : Nijery ireo milina miisa roa vaovao fampandehanana ny jiro ny Depiote Jeaninne

Ny marainan’ny alatsinainy faha-2 septambra taona 2024 teo ny solombavambahoakan’i Madagasikara, izay lany voafidy tato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna sy ny delegasionina niaraka taminy no nihazo teny amin’ny orinasa  » Firts Énergie, » nijery sy nanara-maso ny fampandehanana ny jiro amin’ny alalan’ny milina roa vaovao, hoentina hiadiana amin’ny resaka delestazy nikiky ny vahoaka teto Maevatanàna an-tampon-tanàna nandritra ny volana maro, izay nisian’ny maizin-kitro nisesy. Tsy nijanona nitazam-potsiny manoloana ny fahatapan-jiro nisy teto Maevatanàna ny Ramatoa Ravoninahitriniarivo Mbaje Jeaninne Gabriel dite Jeaninne fa nihezaka nanao asa nangina ho misy vaingana tany amin’ny tale jeneralin’ny Jirama eto Madagasikara Atoa Ron Weis, mba hamahana ny olana misy etsy sy eroa amin’ity fahatapan-jiro lavareny ity, indrindra hoan’i Maevatanàna. Tamin’izay no nilaza taminy Atoa Ron Weis nanao hoe: mbola hamory ireo tompon’andraikitra ny First Energie rehetra ny tenany. Taorian’izay anefa dia nody venitiny ny rano natsakaina, ka nahazo milina miisa roa vaovao ny orinasa miandraikitra ny fampandehanana ny jiro aty Maevatanàna, ka ny Faha 16 Aogositra teo iny no tonga niaraka tamin’ireo mpikirakira ara-tekinika ny milina iray marika  » GELEC, » mitondra tanjaka 500 KVA, ary ny faha 18 volana Aogositra taona 2024 teo ihany dia efa nandeha sy niasa io milina io, sady nisy fihenana tsikelikely ny fahatapan-jiro na dia nifamdimby isakan’ny fokontany aza an-kehitriny. Ny sabotsy maraina farany volana lasa teo ihany koa no tonga nigadona taty an-toerana ny milina fanampiny iray marika  » Cummins NTA 855.62, » mitondra tanjaka 300 KVA, izay mbola ao anatin’ny manao andrana an’io milina vaovao tonga io moa ny tekinisianina momba izany. Raha hojerena tokoa ny zava-misy dia mety hamahan’ny olana ny fahatapan-jiro tokoa ireo milina ireo. Izay indrindra no nisian’ny fidinana ifotony nataon’ny Depiote Jeaninne niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny orinasa Jiro sy rano Malagasy eto Maevatanàna, ary ny ben’ny tanàna eto amin’ny kaominina ambonivohitra.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici