Amin’ny valo ora anio, ao amin’ny efitrano fahatelo an’ny fitsarana ambaratonga voalohany, no hotsaraina ilay mpisolovava; izay nisy nitory noho ny fikasihan-tànana sy fanimbàna fananan’olona. Raha ny fanazavan’ny mpitory dia tezitra ilay mpisolovava rehefa nolazaina fa mibahana ny fiarany, izy anefa tao anaty toeram-pisakafoana. Voakasi-tànana ilay mpamily ary ilay fiara koa nasiany tamin’ny totohondry. Tetsy Ambodifilao no nitrangan’ity raharaha ity. Nametraka fitoriana teo anivon’ny pôlisy misahana ny boriborin-tany ny tompon’ny fiara. Niakatra Fampanoavana ny raharaha ary nahazo fahafahana vonjimaika ilay mpisolovava taorian’izay. Anio no hiakatra voalohany eny amin’ny fitsarana ny raharaha.
Nangonin’I D.R