- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilFaits-DiversSahanivotry - Antsirabe : Niketrika vola sandoka ny tambanivohitra

Sahanivotry – Antsirabe : Niketrika vola sandoka ny tambanivohitra

Feno akora kely samihafa tao amin’ilay trano nosavain’ny zandary sy nisamborana azy roa lahy. Tao ny savony, ny ranon-javatra, ny karazan-taratasy manify sy ny hafa koa. Tsy vitan’izay fa efa nisy vola sandoka vita teo akaikin’izany. Mazava ho azy ny tanjon’izy roa lahy ireo ary dia nandeha ho azy ny fisamborana tao amin’ny fokontany Tsarahonenana-Sahanivotry, ao ambanivohitr’Antsirabe. Rangahy efa lehibe, 72 taona no tena atidoha nikotrika ary misy ilay 45 taona nanampy azy tamin’ny fanatontosàna. Efa narahina izy ireo rehefa nahazo vaovao mahakasika ny fisian’ny olona mpanao vola sandoka tao an-toerana ny zandary. Nandritra ny fisavàna ny trano dia porofo tsy azo ihodivirana avokoa no sarona tao.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici