- Publicité -
lundi, juillet 21, 2025
AccueilFaits-DiversNikomy ny olona : Natsahatry ny zandary ny “poste avancé”

Nikomy ny olona : Natsahatry ny zandary ny “poste avancé”

Mandeha ny fifampiresahana ankehitriny eo anivon’ny zandary sy ny fokonolona ao Mahavelona. Izany dia mahakasika ny hamerenana ireo zandary hiasa eo anivon’ny “poste avancé” ao amin’io tanàna io. Ny lehiben’ny faripiadidian’ny zandary eto amin’ny faritra Analamanga no nidina tany an-toerana ny alarobia teo ka nifampidinika tamin’ny tomponandraiki-panjakana tao an-toerana. Isan’ny nangatahin’ny manampahefana sivily ny fikasàna ny hiverenan’ny zandary hiasa ao an-toerana. Ny zandary kosa, avy amin’ny fanazavan’ny lehibeny, dia nametraka fepetra. Tsy inona izany fa ny fanomezana antoka ho azy ireo ny mba tsy hiverenan’ny fikomiana sy ny fanimbàna fitaovam-panjakana intsony. Ankoatra izay dia nametraka fepetra  ny zandary ny amin’ny fampihàrana izay vokatry ny fanadihadiana nataon’izy ireo sy ny didim-pitsaràna mifandraika amin’izany. Raha hiverenana fohy dia nisy ny fikomiana nataon’ny olona tao amin’io tanàna io ny 24 oktobra lasa teo rehefa nisy olona voarohirohy ho mpangalatra omby ka maty tao amin’ny biraon’ny zandary rehefa naterin’ny fokonolona tao. Io no nitarika ny tsy fifalian’ny olona ka nampikomy azy. Vokatry ny tsindry dia nanapa-kevitra ny zandary hiala tao amin’ilay toerana mba ho fiarovana ny ainy sy ny fianakaviany. Raha zohina izany ny fandehan’ny raharaha dia tsy mbola tapaka ato ho ato ny amin’ny famerenana ireo mpitandro ny filaminana ao Mahavelona. Mbola miankina amin’ny valin’ny fanadihadiana izany ary koa ny fanomezan-toky avy amin’ireo mponina ao an-toerana.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici