- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversNinie Donia : Niverina teny amin’ny Consulat, nalain’ny Emmo-Reg indray

Ninie Donia : Niverina teny amin’ny Consulat, nalain’ny Emmo-Reg indray

Tsy nijanona tamin’ny fisamborana sy famotsorana azy afak’omaly akory ny momba an’ilay artista malaza Ninie Donia. Omaly dia niverina teo anoloan’ny biraon’ny Consulat indray ny tenany, tetsy Antsahavola, ary nanohy nampiseho ny tsy fifaliany. Saingy nentiny tamin’ny maha-mpanakanto azy izany tamin’ity andro faharoa ity : hira masina no noventesiny ary sora-baventy no nolanjainy. Tsy naharitra ela ny valin-kafatra satria nalain’ny Emmo-Reg teo an-toerana indray ilay artista. Nesorina teo izy dia navotsotra ihany nony avy eo. Tsy nampiova na inona na inona ny hetsik’ity mpanakanto ity satria tsy niova ny hevitry ny Consulat momba ny fanomezana visa azy. Na izany aza dia izy irery hatreto teo amin’ny tantara no Malagasy sahy naneho ny tsy fifaliany ary nitokona irery teo Antsahavola. Izay tsy mahazo visa mantsy dia mody maina fotsiny ary tsy sahy mangataka fanazavana bebe kokoa. Ny an’i Ninie Donia kosa dia nampiakariny ny feo ary nasongadiny izay nolazainy fa tsy rariny ny tsy hanomezan-dàlana azy hody any Lafrantsa. Raha ny fantatra mantsy dia efa mipetraka any izy ary hamonjy ny zanany marary no hodiany maika tany. Kinanjo tsy nomen’ny frantsay taratasy. Toe-javatra izay tsy nahazatra azy, mazava ho azy, satria ny artista no isan’ny mora mahazo visa indrindra raha ho any ivelany. Manginy fotsiny koa, raha ny momba azy manokana, ny efa ipetrahany any Frantsa. Raha ny fijerin’ny olona ny raharaha dia lasa sarotra vao mahazo visa ny gasy, indrindra ireo izay avy any Nosy-be, taorian’ireny zava-nitranga tany an-toerana ireny. Tsy inona izany fa ny famonoana ireo teratany vahiny miisa roa, frantsay sy italiana. Taorian’iny dia efa nivandravadra ny sazy sy filam-baniny. Nisy mihitsy aza ireo izay efa tonga tany ivelany no tsy navela hiditra ny seranam-piaramanidina.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser