- Publicité -
mardi, juillet 22, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Nirehitra ny tsena Sabotsy

Antsirabe : Nirehitra ny tsena Sabotsy

Toy izao ny fijoalajoalan’ny afo

Afobe ! Nisehoana firehetana mijoalajoala tao amin’ny tsena Sabotsy Antsirabe, omaly hariva. Tany amin’ireo faritra misy an’ireo mpivarotra fanaka no may ary miitatra mianavatra ny afo. Voalaza fa tratra koa ny tany amin’ny misy ireo mpivaro-kena sy voankazo. Tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina namono ny afo. Ny tompon’ny tsena ihany koa no nirohotra maro teny an-toerana namoaka ny entana izay tsy mbola tratran’ny afo. Fantatra fa vetivety ny fihitaran’ny afo noho ny tsy fahampian’ny fitaovana teo amin’ny mpamonjy voina. Ny afo anefa mijoalajoala ary sahirana ny mpamono afo sy ny tompon’ny tsena ary ny fokonolona. Tsy mbola fantatra mazava ny nahatonga ny afo sy ny niatombohany. Efa tonga teny amin’ny tsena Sabotsy ny mpitandro filaminana nanampy tamin’ny famonoana ny afo, ny fiarovana ny fananan’ireo tompona fivarotana. Atramin’ny ora nanoratanay, tsy mbola maty ny afo teny amin’ny tsena Sabotsy Antsirabe.

Yv Sam

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici