
Tao amin’ny fikontany Lavahitsiny no nisy ilay tranga. Vao maraina omaly dia naharay vaovao ny manam-pahefana sy ny mpitandro ny filaminana mahakasika ny fisian’ny fasnaa iray izay nisy namaky. Rehefa tonga teny ny zandary miandraikitra iny fari-piadidiana iny faritra iny dia nanamarika fa fasana eo amin’ny tendrombohitr’Ambatolampy, fokontany Lavahitsiny, kaominina ambanivohitra Anosiala, distrika Ambohidratrimo no vaky. « Sahabo ho 14 kilometra miala ny tobim-paritra no nisy namaky. Nosokirin’ireo mpamaky fasana avy teo amin’ny sisiny ny varavaram-bato ka teo no nidiran’izy ireo. Araka ny voalazan’ny tompom-pasana dia taolan-dava maromaro no very », raha araka ny tatitry ny zandary momba ny zava-nitranga hatrany. Mazava hoazy fa nisy ny fanadihadiana izay nosokafana ary natao koa ny fanentanana ny mponina mba hampita vaovao raha sendra mahafanta-javatra mahakasika ny vaky fasana. Dia hatao inona ireo taolam-balo? Mbola fanontaniana mipetraka hatrany izany ankehitriny satria tsy nisy lavitra izay fanadihadiana nandeha rehetra teto amintsika hany ka lasa tombatombana fotsiny no mandeha. Ny olana koa dia na ireo olona voasambotra aza matetika dia tsy mahafantatra akory ny antony hilàna ireo taolam-paty ary indraindray aza dia tsy fantatr’ireo akory ny tena mpaniraka azy ireo. Ny siantifika koa dia mangina fotsiny mahakasika ny zava-misy kanefa izy ireo dia mety afaka manome hevitra ny amin’izay mety hilàna ny taolam-balo ka hahafahana manao fanentanana mba hiadivana amin’ny vaky fasana. Lasa vitavita hoazy eny fotsiny vokatr’izany rehetra izany ny raharaha vaky fasana. Ny fasana sy ny razana izay tena manan-danja kanefa eo amin’ny fiaraha-monina malagasy ary maharary ny mponina ny fanimbazimbàna azy ireny.
D.R