Ny alin’ny alarobia teo no nahitàna ireo fitaovana hafahafa teo anoloan’ny tsena eo an-toerana. Lasantsy toa tavoahangy, finday efa nisokatra iray ary miendrika ho namboarina mba azo baikon-davitra ary izany dia tao anaty vata kely iray. Nandritry ny delestazy no azo eritreretina ho nidiran’ny olona tao amin’ny faritry ny tsena ka nametrahana an’izany. Ny mpivarotra dia nitsangam-bolo avy hatrany raha vao naheno sy nahita ny zava-misy. Amin’izy ireo dia fikasàna tsotr’izao ny hampirehitra ny tsena no tanjon’ny olona izay tompon’andraikitra tamin’ireo fitaovana ireo. Omaly dia nentin’ny mpitandro ny filaminana teny amin’ny biraony ary nohenoina ny mpiambina ny tsena. Navotsotra ary afaka namonjy ny toeram-piasany izy ireo taorian’ny fanadihadiana. Endrika fanakorontanana ve sa tena fikasàna handoro tokoa? Mbola mipetraka ny fanontaniana.
D.R