- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilFaits-DiversKandreho-Betsiboka : Nisy namaky ny fiangonana Katolika

Kandreho-Betsiboka : Nisy namaky ny fiangonana Katolika

Lasan’ireo olon-dratsy ny kalisy iray sy vary akotry roa gony. Efa tsy mifidy toerana na trano hangalarana intsony ireo olon-dratsy manao izany, any ka manao an’Andriamanitra tsy misy intsony amin’ny famakiana fiangonana. Ny fanotaniana mipetraka, manoloana ny fisian’ny famakiana tranom-piangonana katolika iray tao an-tampon-tanànan’ny disitrikan’i Kandreho, ato anatin’ny faritra Betsiboka, dia ny hoe: ankasomparana ve, sa lonilony avy amin’ny mpitondra fivavahana sy amin’ireo mpiara-mivavaka, sa hadalana tiana hatao amin’ny fieritreretan’ny sain’izy ireo tsotra izao fotsiny no anton’izany. Io no tsy miala ambetim-bavan’olona tsirairay avy taorian’ny famakiana fiangonana niseho. Raha ny angom-baovao voaray teo anivon’ny zandarimariam-pirenena avy eto Maevatanàna, dia nitondra fitarainana tao amin’ny biraon’ny borigadin’ny Zandary any Kandreho ny lehilahy iray mpitambolan’ny fiangonana katolika, izay fantatra amin’ny anarana hoe Maxime. Nanamafy ihany koa ranamana fa tamin’ny alakamisy faha 30 may 2024 teo no nisian’ny famakiana fiangonana. Taorian’izay dia tsy niandry ela ny Zandary roalahy, rehefa nahazo ny fitarainana, fa tonga dia niroso tamin’ny fitsirihana ny zava-nitranga sy niseho teny an-toerana, niaraka tamin’Atoa Maxime. Teo no voamarina fa tena nisy tokoa ilay vaky trano, sady nopoirin’ireo olon-dratsy ny vavahady iray avy any atsimo, ka simba ny Gadena. Mbola nisokafan’ireo ihany koa ny  » Tabernacle » izay misy ny Vatana aman-dRà n’i Kristy, na ny Kaominio, sy ireo kalisy amin’ny alalan’ny fanalahidiny, izay mipetraka anaty baoritra fitoerany eo ambany latabatra. Nandritra izany no nahalalana ny zavatra very, toy ny vary akotry roa gony vokatry ny fiangonana ( 14 daba), kalisy iray, hostansoara iray. Hatreto aloha, raha ny vaovao voaray farany hatrany, dia tsy mbola misy ny olona ahiahina, saingy misokatra ny fanadihadiana ataon’ny Zandary any an-toerana.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici