- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversNisy namaky ny FJKM Tranovato Anjanahary

Nisy namaky ny FJKM Tranovato Anjanahary

Novakian’ny sasany ny FJKM Tranovato Anjanahary Maritiora ny alin’ny talata lasa teo. Araka ny fantatra dia nisy varavarana iray nopotehan’izy ireo ny hidiny ary avy eo izy no niditra. Rehefa tao anatiny, niakatra tamin’ilay somary ambony rihana kely ireo mpangalatra. Nalaina ny fitaovana fanamafisam-peo sy ny kojakoja rehetra miaraka aminy. Tsy vitan’izany fa nalain’ireo olon-dratsy koa ny coffre. Tsy teo amin’ny lalana nidirany izy no nitondra izany fa tany ambadika. Teo amin’ilay toerana no nanokafany ilay vata vy. Voalaza moa fa vola misimsiy ihany no tao ary najifan’ireo jiolahy. Efa mandeha ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser