Ny herinandro lasa teo dia nitrangan’ny halatra miharo vaky trano ny tao amin’ny toeram-ponenan’ny mpiasa iray teo anivon’ny oniversitén’i Fenoarivo Atsinanana. Entana maromaro lafo vidy no lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany. Tsy niandry ela fa nandray fepetra sy andraikitra avy hatrany ny fitaleavam-paritry ny pôlisy tao Analanjirofo ary niroso tamin’ny fikarohana ireo olon-dratsy. Dimy andro taorian’ny fanangonam-baovao sy ny fikarohana dia voasambotra ny iray tamin’ireo nahavanon-doza, araka ny fampitam-baovao azo teo anivon’ny pôlisim-pirenena. Hatreto dia tovolahy roa, izay mbola tsy ampy taona akory ny iray, no tra-tehaka ary efa notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana azy ireo. « Ny 25 aogositra 2023 dia nahasambotra ny iray tamin’ireo olon-dratsy ny polisy miasa ao amin’ny CSP Fenerive Est, izay niaiky avy hatrany ny halatra nataony ary nanamafy. Nahazo « Ecran plat » iray, »subwoofer » iray ary « batterie roa. Ny ampitso kosa, izany hoe ny 26 aogositra 2023 no voasambotra ny namany iray. Mbola hita ny ampahany tamin’ireo entana very tratra tao amin’ny fianakavian’ireo mpandray ny entana halatra, izay mbola andalam-pikarohana », araka ny fampitam-baovao azo hatrany. Efa samy natolotra teny anvion’ny Fampanoavana moa izy roa lahy ireto ary fantatra fa samy nadoboka eny am-ponja miandry ny fotoam-pitsarana azy ireo. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo naman’izy ireo hafa, indrindra fa ireo olona nandray ny entana halatra.
m.L