Mandry tsy lavo loha hatrany ireo olona varira. Mbola misy mifofo ihany ny ain’izy ireo. Tsy vitan’izany aza fa misy mamono ho faty mihitsy. Tany Vangaindrano, zaza varira iray no nisy nanapa-doha. Io lohany io ihany no nalain’ireo mpamono olona ary navelany teo ny vatany. Tombanana ho eo amin’ny folo taona eo io zazavavy io raha ny fijerin’ny mpitsabo ny vatany. Nisy fotoana tena nisesy ny fakàna an-keriny zaza varira ary betsaka koa ny namoy ny ainy. Rehefa nandeha ny fanadihadiana dia isan’ny nalehan’ny eritreritra tamin’izany fa ilain’ireo dahalo sy mpanao ody gasy ny mason’ireny olona ireny mba hanaovana « masobe tsy mahita ». Ary dia vidian’izy ireo lafo mba entina manamora ny fanatontosàna ny asaratsy. Tsy ahoan’izy ireo izay ain’olona sy rà latsaka. Efa betsaka izay olona velona, zaza varira, izay nesorina ny masony. Azo sary an-tsaina amin’izany ny habibiana manjo ireny olona ireny. Mila fepetra raisina mba ho fiarovana ny olona varira satria olombelona toa ny rehetra ary mendrika ny hiaina am-pilaminana izy ireo.
D.R
Tsy nisy nanapa doha izany teto Madagascar taloha fa sao dia feno clandestins tonga avy @ sambo @ iny faritra iny, toa manana finoana sy fomba hafa, manapa-doha, tsy tia kambana, tsy tia varira, mpivavaka rigide … ouhlala, mampandositra