
Toy ny nahazatra tato anatin’ny andro vitsivitsy izay dia niafara indray tamin’ny fifanandrinan’ireo mpitandro filaminana sy ny mpanao fitakiana ny hetsika omaly teny amin’iny faritra Anosy. Raha tsiahivina dia niantso fitokonana faobe ireo tanora avy eo anivon’ny Gen Z omaly, niaraka tamin’ireo syndikalista, mpianatra ho mpitsabo ary io mpitarika politika sasantsany, ary nanentana tao anaty tambajotra hiaraka hifampitaona teny Anosy.
Tetsy andanin’izay, ho setrin’izay dia vao maraim-be dia efa niatrana tamin’ireo sampanan-dalana maro mihazo ny an’Ambohijatovo sy Analakely iny ireo mpitandro filaminana. Nanomboka tamin’ny fito ora maraina tany ho any no na nanapaka ireo lalana rehetra mihazo an’ireo toerana ireo izy ireo.
Tamin’ny sivy ora no fotoana nifanomezan’ireo mpanao fitakiana teo Antanimbarinandrina. Tokony ho tany amin’ny iray ora tolakandro tany ho any anefa vao tena raikitra ny fifanjevoana teo amin’ny roa tonta : ireo mpitandro filaminana andaniny, ary ireo mpanao fitakiana ankilany. Nirefotra tampoka tsy nisy fampitandremana ny baomba mandatsa-dranomason’ireo mpitandro filaminana nentina nanaparitahana iretsy ankilany. Raikitra ny sakoroka. Nisy ny fifanenjehana ary nisy tamin’ireo mpanao fitakiana no voasambotra. Anisan’izany i Mikolo, ilay tovolahy nalaza tampoka tamin’ity hetsika Gen Z ity noho ny fahasahiany niteny sy nitaky. Nivezivezy ihany koa ny fiaran’ireo croix rouge, izay porofo fa nisy ireo naratra, izay tsy mbola fantatra ny isany.
Teo anatrehan’ny zava-nisy dia nivadika ho fifanandrinana ny hetsika. Tora-bato tsy an-kijanona, “barrage” daba-pako sy doro zavatra ny an’ireo mpanao fitakiana ho setrin’ireo baomba lacrymogène, bala fingotr’ireo ary ny herisetran’ireo mpitandro filaminana.
Nitohy hatramin’ny hariva teo moa ny fifandonana sy fisamborana teny Anosy, Mahamasina ary tonga hatrany Anosibe iny.
m.L