Maty irery tao an-tranony ilay rangahy 55 taona ny alin’ny alakamisy teo. Ny mpanao lava-drano izay no nahita ilay vatana mangatsika ka nampandre ny zandary misahana iny toerana iny. Ny mpitandro ny filaminana indray avy eo no nampandre ny mpitsabo izay nanao ny fizahana ny razana. Tsikaritra teo ary fa mamofona toaka ilay razana. Misy lo eo amin’ny manodidina azy ary misy dian-dratra teo amin’ny masony. Ankoatr’izay dia nahitàna fasiana solonify koa teo amin’ny manodidina ary rà miangona teo ambonin’ny fandriany. Nivoaka avy hatrany ny tombana fa mamo ilay rangahy izay efa marary vavony. Voateliny ny solonifiny ary nahasempotra azy izany tokony ho tamin’ny valo ora, ny alin’ny alakamisy teo. Nampandrenesina ny fianakaviany mba haka ny razana omaly.
D.R