
Notanterahina ny Sabotsy 15 Febroary 2025 lasa teo ny fambolen-kazon’ny FIOVA “ Fivondronan’ny Orinasa eto Vakinankaratra” . Meherin’ny dimanjato isa ireo mpikambana tonga nanao ny adidiny teny amin’ny kaominina ambanivohitra Vinaninkarena. Ny fikojakojana no natao voalohany, tsikaritra fa feno bozaka ny tany, nisy fotoana aza nahitana firehetana mihitsy. Norantsanana ireo hazo efa maniry tsara, ireny rantsany ireny avy eo no manjary zezika hitomboan’ny hazo. Nohavaina kosa ireo hazo mbola madinika niampy ny fisorohina ny ahitra manodidina. Hisorohana ny mety ho doro tanety dia nohasaina ny tany manontolo, tsy mijanona eo anefa fa hisy fambolena hatao eny antoerana ka ny mpikambana ihany no hanatanteraka izany, hisy ny “appel à manifestation d’intérêt” afaka volena eo amin’ity toerana ity avokoa na katsaka na mangahazo na voanjo.Zanakazo maherin’ny 700 fototra no novelena nandritry ny fotoana. Amin’ny ankapobeny dia tsara ny fanirin’ireo zanakazo nambolena taloha noho ny fikojakoana natao, nahitana vokatra tsara saingy noho ny doro tenety dia maro ny simba hoy Atoa Ramarojaona Andrianjafy filohan’ny FIOVA.Miha simba ny tontolo hanaovana fandraharana isan’izany ny fiovaovan’ny toetry ny andro, tsy fahampian’ny orana ka miteraka fahatapahan-jiro lavareny izay misy fiantraikany lehibe eo amin’ny resaka fandraharahana, izany no manosika ny FIOVA handray anjara feno amin’ny resaka tontolo iainana, ny fandraharahana androany dia samy manao ezaka ny tsirairay fa ny ampitso kosa izao atao izao, izany hoe mijery ny ho avy. Maro rahateo ireo mpianatra avy amin’ny oniversite sy tanora maro avy amina orinasa eto Antsirabe tonga tamin’ity fotoana ity, manoro sy manome ohatra velona azy ireny no anjaran’ny FIOVA mba azahoana vokatra tsara inddrindra ao aoriana ao.
Andry N.