Nivoaka ny didim-pitsaràna mahakasika ireo olona izay nitoraka angidim-by nandritry ny fampielezan-kevitra nataon’ny kandidà laharana fahatelo tany Alarobia-Vatosola, tanàna iray ao amin’ny distrikan’Andramasina. Voampanga dimy taona an-tranomaizina sazy mihatra ireo olona telo. Fanimbàna fananan’olona sy fanaovana herisetra no vesatra ara-pitsaràna izay nanenjehana azy ireo. Ny zoma lasa teo no notontosaina ny fitsaràna ireo voakasika izay efa nidoboka am-ponja nialohan’izany. Raha tsiahivina, mbola tsy nigadona akory ny helikoptera izay nitondra delegasiona hanao fampielezan-kevitra dia efa nisahotaka ny olona teo an-tanety. Teo dia efa sahirana ilay fitaovana nitady izay hipetrahana ary voatery nihodinkodina teo an-toerana nandritry ny minitra maromaro. Ny niafarany dia nidina ihany ary nipetraka. Teo indray dia tora-bato no nataon’ny olona sasany ary nanimba ilay fitaovana. Voatery nisy piesy nosoloina mihitsy, isan’izany ny “hélice” an’ilay angidim-by. Ny andron’iny ihany dia nisy ny fisamborana noho ny antony izay efa voalaza etsy ambony. Vetivety dia nihodina eraky ny tambajotra sosialy ny zava-nitranga satria nisy nahavita naka sary tsimoramora. Ny harivan’iny ihany dia efa nanao fanambaràna ny delegasiona nanazava ny tena zava-nisy niainan’izy ireo. Ankoatra ny teto an-drenivohitra sy tany Itasy dia io tany Andramasina io no nafana ny fampielezan-kevitra farany teo. Nisy fisamborana avokoa ireo faritra telo ireo ary nahiana mihitsy ny hiadian’ny samy mpandala ny kandidany. Tsemboka ny mpitandro ny filaminana izay lasa nanelanelana tamin’ny faramparany mba hialàna amin’ny fifandirana sy fifampikasihan-tànana.
D.R