Nisehoan’ny fanafihana “cash point” teto Toamasina renivohitra omaly maraina tokony ho tamin’ny 08 ora latsaka teo. Tena eo an-tampon-tanana mihitsy no nitrangan’ity fanafihana ity satria teo amin’ny boulevard Joffre akaikin’ny banky Bmoi teo aloha sy orinasa Orange teo aloha no nitrangan’izany fanafihana izany. Tsy nahazo na inona na inona ireto jiolahy roa nitaingina moto, ary nifanenjehan’ny olona izy ireo taoriana izany. Nitondra basy izy ireo fa tsy nipoaka ny basy nentiny ka izay no nahasahy ilay olona nanenjika azy ireo. Maro ny resa-be nandeha nandritra ity tranga ity, satria efa miakatra afovoan-tanana mihitsy ireo jiolahy amin’izao ary mahasahy mihantsy ny mpitandro filaminana mandritra izany. Na izany aza nisy ihany ny fikarohana ireto jiolahy roa nanao ity fanafihana tsy hanomby ity, saingy tsy nahitana fahombiazana ny fikarohana.
Malala Didier