- Publicité SW45 -
dimanche, juin 23, 2024
- Publicité -
AccueilÀ lire« Camp docker » Toamasina : Nitrangana vono olona roa alina

« Camp docker » Toamasina : Nitrangana vono olona roa alina

Hatairana ny an’ireo olona manodidina sy ny zanany lahy izay zandary eto Toamasina, nahita ny fatin’ity rangahy efa 80 taona eo ho eo sy ny mpanampy azy tao an-trano fipetrahany ao amin’ny “camp docker” Toamasina. Raha ny angom-baovao voaray dia omaly alina tokony tany amin’ny 9ora na 10ora alina tany no any no maty ity rangahy sy ny mpanampy azy ity, araka ny fanadiadian’ny BMH ny kaominina Toamasina. Ny brigadin’ny zandary misahana ny fikarohana ady heloka bevava eto Toamasina no misahana ny raharaha sy nizaha izany araka ny vaovao voaray. Raha ny zava-nisy dia nisy olona nitady ny vadin’ity rangahy 80 taona ity omaly, fa misy izany entana tokony halaina izany; ilay ramatoa rahateo mivarotra any ambanivolo araka ny vaovao. Ny mpanampy no tratran’ilay lehilahy tao, ka hilaza izany ny mpampiasa azy rehefa tonga ny tenany. Alin’ny alakamisy nifoha ny zoma no nisy namono ilay rangahy be sy ny mpanampy azy, ka ny maraina vao nisy nahita raha tong any zanany avy niasa. Gaga ny tenan’ity zandary zanaky ity rangahy be ity nahita ny vavahady nisokatra, ka rahaniditra izy dia ilay mpanampy efa maty no hitany voalohany efa mitsirara maty ary avy eo hitany koa ny dadany maty miankohaka. Avy hatrany dia miahiahy ity lehilahy tonga tao an-tranon’izy ireo omaly ity ny fianakaviana, ary manao fikarohana ao anatin’izany ny brigadin’ny misahana ny heloka be vava ny zandary manao ny fanadiadiana. Raha ny fanazavana hatrany dia efa lasa any ambanivolo misahana ny varotra sahaniny ilay ramatoa notadiavin’ity lehilahy ity; ary nilaza ilay zanany lahy zandary ity fa tsy hanaiky izao famoana ny rainy amin’ny fomba feno habibiana izao. Mandeha ny fikarohana ataon’ny zandary amin’izao, ka andrasana izay ho vokatra izany.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici