
Nandritra ny fitsidihana natao dia nanararaotra nitafa sy nidinika, ary namory ireo Zandary ato anatin’ny vondron-tobim-pileovana Betsiboka ny kaomandy ny Zandarimaria » Général de Division Rakotomalala Andriantahina Jean Herbert sy ny général de division RAMASITERA Ny Haingo, izay notarihin’ny Lietinà-kolonely Andrianatrehina Hando Dinah ny Zoma maraina lasa teo iny. Tao anatin’ny dinidinikana ambany tafi-trano, teny amin’ny » BPR Maevatanàna, » dia nampatsiahivana tamin’izany ny fanajana ny zon’olona, fahaizana mikirakira ny fandriam-pahalemana, fifandraisana amin’ny manam-pahefana isan-karazany, fandraisana andraikitra, fitondran-tena mandritra ny fanatanterahana ny asa sy ny tokony hanomezana marim-pakasitrahana hoan’ireo Zandary miantsehatra eny an-kianja, sady manao ny ainy tsy ho zavatra, izay tsy mandry alina sy atoandro manao ny asany ara-dalana, raha ny fanamafisam-panazavana nataon’ny Jeneraly RAMASITERA Ny Haingo hatrany. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara hatrany ny mampahafantatra fa ny Zandarimaria dia miara-miasa amin’ny vahoaka mba hisian’ny fandriam-pahalemana maharitra, ka manantena hatrany izy ireo amin’ny fanomezana vaovao marina, ara-potoana.
Ratantely