- Publicité SW45 -
mercredi, octobre 23, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRocade : Nivadika ambony ambany ny 4X4

Rocade : Nivadika ambony ambany ny 4X4

Tao anaty delestazy no ntiranga ny loza.

Ny harivan’ny zoma teo no nitranga ny lozam-pifamoivoizana. Fiara iray tsy mataho-dàlana mitondra ny marika Ford Everest no nivadika ambony ambany teo amin’ny Rocade izay mifanandrify amin’Ambohimahitsy. Ny antony dia ny fisian’ny fiara iray nisy olana ara-teknika ka voatery nijanona. Efa nanisy zava-maitso ihany ny tompon’ilay fiara mba ho fampahafantarana izay fiara mandeha ao aoriana. Maizina tanteraka anefa ny andro ary tsy sendran’ny fahatapahan’ny jiro teo an-toerana tamin’io fotoana io. Tafiakatra tamin’ny fizaran’ny làlana izay misy tevana ny fiara Ford Everest ary nivadika ambony ambany. Nisy ny naratra tao anatin’ity lozam-pifamoivoizana ity ary etsy andanin’izany dia tapaka nandritry ny fotoana elaela ny làlana mandram-pahatongan’ny mpitandro ny filamnana teny an-toerana izay nandamina ny fifamoivoizana. Ankoatry ny fandehanana mafy dia mbola isan’ny azo raisina ho voka-dratsin’ny fahatapahan-jiro koa ny toe-javatra toa izao. Etsy ankilan’izany, lasa miady aman’aina tanteraka ny mpivezivezy na amin’ny kodiaran-droa na amin’ny fiara eny amin’ny Rocade. Saika isan-kerinandro no misy ny lozam-pifamoivoizana izay mitranga eny an-toerana. Vao herinandro lasa izay no nisy tovolahy izay nandeha kodiaran-droa ka nisy nifaoka tamin’ny fiara. Navelan’izy ireo teo ilay olona naratra ary maty irery teo. Toe-tsaina toa izany no mateti-pitranga ankehitriny eto an-drenivohitra. Karohina ankehitriny ny mpamily ilay fiara nahavanon-doza ary ampiasaina avokoa izay mety ho “camera de surveillance” mety hahitàna ny fandalovany. Efa mba misy ireny karazana fampihenana hafainganam-pandeha (cassure de vitesse) ireny ihany eny amin’ny Rocade fa saingy tsy mahasakana ny lozam-pifamoivoizana izany. Eny amin’ny làlana angamba ny olona sasany no manampatra ny hatezerany amin’ny fahasarotan’ny fiainana…

D.R

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

  1. Ny olona manana 4×4 dia olona tsy mahantra fa efa migalabona @ fiainana(raha tsy hoe nangalarina angaha ilay fiara). Na izany aza, « aza mamono tena fa mba aleo ho faty ho azy, rey olona ô ! »

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici