- Publicité SW45 -
vendredi, octobre 18, 2024
- Publicité -
AccueilSociétéToamasina renivohitra : Nivoaka ny tetiandron’ny fankalazana ny fetim-pirenena

Toamasina renivohitra : Nivoaka ny tetiandron’ny fankalazana ny fetim-pirenena

Manomboka ny 07 jona hatramin’ny 07 jolay ny fananganana ny sainam-pirenena ao anatin’ny fankalazana ny fetim-pirenena amin’ity taona ity, hoy ny prefektioran’i Toamasina. Hanomboka ny faran’ny herinandro izao ny fotoam-pivavahana hangataham-pitahiana ny tanindrazana, izay hiatomboka amin’ny vavaka eo anivon’ny fiangonana ny sabotsy izao eo anivon’ny advantista Bazar kely izany, ary faranana amin’ny vavaka FFKM eo anivon’ny fiangonana Aglikana eo amin’ny araben’ny fahaleovan-tena lapan’ny tanàna.

Fantatra ihany koa fa nanokana ny diaben’ny fahaleovan-tena ho an’ireo mpiasam-panjakana koa ny prefektiora, izay atao hitetezana ny halavan’ny araben’ny fahaleovan-tena mandritra izany. Hisy koa ny fanentanana ara-java-kanto hatao hiarahana amin’ireo mpanakanto maro avy eto Toamasina sy manerana ny nosy, alefan’ny fanjakana, hanomboka ny 23 jona ary tsy hifarana raha ny 27 jona maraina. Ankilan’ireo ny fizarana ny mariboninahitra ho an’izay nahazo izany. Hatao ny 25 jona eo anoloan’ny lapan’ny faritra Atsinanana araben’ny fahaleovan-tena ny matso lehibe ny 26 jona tahaka ny efa mahazatra eto Toamasina, andraisan’ny tafika sy ny sivily anjara, ary ny mpianatra mandritra izany. Ao anatin’izany dia efa tazana teto Toamasina nandritra ny fiandohan’ny volana jona ireo mpivarotra sainam-pirenena teto Toamasina. Any Antananarivo no hakan’izy ireo izany, araka nambaran’ireo mpivarotra, ka manomboka amin’ny 3.000 ariary ireo saina kely hatramin’ny 20.000 ariary ireo saina ngeza amin’izany. Misy kosa ireo antonony azon’ny rehetra vidiana 10.000 ariary eo. Nahitana fiakarany manokana 5.000 ariary eo hatramin’ny 1.000 ariary eo ireo sainam-pirenena ireo, satria nahitana fiakarany koa ireo ravin-damba sy ny kojakoja fanamboarana azy, hoy ireo mpivarotra izany, satria efa miakatra koa ny fividianana ny iray miainga avy ao Antananarivo.

Ankoatra izany dia efa eny an-tsena koa ireo kojakoja fampiasa amin’ny andro fety, toy tsipoapoaka sy ny harendrina ary ny fitaovana hafa azo anaovana kilalao mandritra izany, saingy mbola vitsy ireo mpanjifa noho fiakaram-bidiny. Ao koa ireo miandry ny fotoana manakaiky fety vao mividy izany ho an-janany.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici