- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversNivoaka tamin’ny fahanginany i Arnaud : “Mafy ny niaretako”

Nivoaka tamin’ny fahanginany i Arnaud : “Mafy ny niaretako”

arnaudlibéréNivoaka tao anatin’ny fahanginany dimy andro taorian’ny nanafahan’ny polisim-pirenena azy tao anatin’ny fanagejana azy an-keriny nandritra ny 50 andro, i Arnaud Ramialison ilay tovolahy nisy naka an-keriny niaraka tamin’ny anabaviny Annie izay maty novonoin’ireo naka azy an-keriny azy ireo.

Misaotra betsaka ! Nandritra ny lanonana nokarakarain’ny fikambanan’ny zanak’i Maroantsetra monina ao Toamasina, FI.ZA.MA, ho fiarahabana ny fianakavian’ Arnaud Ramialison noho ny taona vaovao sy ny fahafahany tao anatin’ny fihazonana azy an-keriny 5 andro lasa izay, dia nilaza ny fihetseham-pony tamin’ny fanafahana azy ity tovolahy ity, izay hita nandritra ity lanonana ity fa salama tsara sy mirana ary tsy nisy fiovana loatra afa-tsy ny fahatsiarovana nentiny tamin’ny fanagejana azy. « Misaotra betsaka ho anareo rehetra nitondra am-bavaka ahy, misaotra betsaka ho an’ireo nahatsiaro ahy, misaotra betsaka ho an’ireo nanafaka ahy, mafy nY niainako saingy teo ianareo nanohana ahy sy nanohana ny ray aman-dreniko amin’ny fikarohana sy fanafahana, ka tonga amin’izao fotoana izao isika », hoy i Arnaud Ramialison. Ho an’ny rainy kosa, Atoa Arlan Ramialison nandritra ny lanonana dia nanambara fa « tsy fandresena akory izao ataontsika izao, satria teo ny fahafatesan’i Annie zanatsika sy zandrintsika, fa fifampiarabana ihany mba ho taona hitondra soa sy lavitry ny fahoriana no hiaInantsika rehetra ».

Fanambarana. Nandritra ity lanonana ity ihany koa dia nivoaka tamin’ny fahanginany ny fikambanan’ny zanak’i Maroantsetra monina ao Toamasina, tamin’ny famoahana fanambarana ofisialy mikasika ny fakana an-keriny an’i Arnaud, izay zanak’i Maroantsetra. Ho azy ireto dia tsy azo ekena intsony ity trangana famonoana olona sy fakana an-keriny fanaovana takalon’aina misy ary ny asa fandrobana isan-karazany izao, fa manimba ny mpandraharaha malagasy sy vahiny ka hanimba ihany koa ny fihariana misy eto amintsika. Koa ho azy ireo dia toherin’izy ireo izany fanapotehana ny mpandraharaha sy ny fiarahamonina izany. t ny ankamaroan’ny Malagasy dia mivelona amin’ny karama latsakin’ny iray hetsy ariary, entina ilazana izany fa maro ireo mivelona amin’ny vola mitsipozipozy nefa mbola lafo ihany ny vidin’entana. Takian’izy ireo ny fandraisana andraikitra amin’ny famerenana ny filaminam-bahoaka sy ny famoahana ny marina ao anatin’ireo toe-javatra tsy fandriampahalemana ireo, ny fanohizana hatrany amin’ny fotony ny fisamborana ireo olon-dratsy sy ny fanaovana fanadihadiana lalina mahakasika ny raharaha farany teo. Ho an’ny FI.ZA.MA anefa dia handray fanapahan-kevitra ho an’ireo voaporofo fa meloka ao anatin’ny raharaha izy ireo, satria mpandraharaha sy ny mponin’i Toamasina mihintsy no potehina amin’izao toe-javatra misy izao.

Miha-mivoaka ny marina. Taorian’ny fandefasana ireo olona 27 voarohirohy nalefa eto Antananarivo hiatrika ny fanadihadiana vaovao ho azy ireo noho ity raharaha fakana an-keriny an’i Arnaud ity, miisa 21 mianadahy ny efa miandry fitsarana am-ponja raha mbola miatrika fanadihadian’ny polisy ny 6 mianaka. Manomboka mivoaka hatrany ny marina mikasika ity raharaha ity, nihaiky ary nilaza ny andraikiny tao anatin’ny fakana an-keriny an’i Arnaud R/kely Sylvia zanak’i Honorine sy Sanimohy. Izy hatrany tao anatin’ny 50 andro nihazonana ity tovolahy ity no namatsy ny sakafo ho azy, mbola izy ihany koa no namolavola ny famindrana azy tao an-tranon’ny ray aman-dreniny izay nanaiky ny famindrana tao amin’izy ireo taorian’ny fahatrarana ilay trano faha-3 namindrana azy mianadahy nahatrarana ilay fiara Mitsubishi tao Andranomadio, ary mbola ity Sylvia ity no nahalalana fa anadahiny ilay Rakoto Leonce maty nandritra ny fanafahana an’i Arnaud tao Andranomadio nisy azy ireo ny alatsinainy teo. Efa eo am-pelatanan’ny polisy sy ny mpitandro ny filaminana avokoa ny anaran’ireo olona nifandray tendro tamin’izao raharaha izao vokatra izany, koa mitohy ny fikarohana azy ireo ankehitriny.

Ankoatra izay, dia niatrika sy voaasa nandritra ity lanonana ity niaraka tamin’ireo mpitsara namany nasain’ny FI.ZA.MA, ilay mpitsara voatonontonona anarana teo aloha mikasika ny raharaha, saingy tsy naharitra ela ny tenany noho ny zava-misy mikasika azy. Tsy misy ny olana raha ny zava-misy eo aminy sy ny fianakavian’i Arnaud raha ny hita. Lasa olo-malazan’i Toamasina koa i Arnaud nandritra ny lanonana, ka niara-naka sary taminy avokoa ireo rehetra naniry izany hatramin’izay…

Malala Didier

 

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici