- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversNodarohan’ny olona : Maty tao anaty biraom-pokontany ilay jiolahy

Nodarohan’ny olona : Maty tao anaty biraom-pokontany ilay jiolahy

Mailo ny olona ary nofandrihana mihitsy ireo olon-dratsy ; izay fantatra fa handeha hamaky trano. Tonga tokoa, ary vao tafiditra tao, dia voafira tamin’ny famaky. Roalahy izy ireo ka ny iray no naratra mafy ary ny faharoa kosa nahavita nitsoaka. Toa amin’ny fokontany Fierenana, anaty distrik’Antsirabe II  no nisehoan’izany ny alin’ny alatsinainy teo. Raikitra ny tsoka kiririoka, nivoaka ny iray tanàna ary nifanampy tamin’ny fanenjehana ilay olon-dratsy. Tsy naharitra ela dia azon’ny olona koa io farany. Raikitra ny daroka isan-karazany. Samy nanala ny fony teo ireo olona izay nanao fitsaram-bahoaka. Naratra mafy koa vokatr’izany ilay mpamaky trano. Nentina teny amin’ny biraon’ny fokontany ny tenany ary notazonina tao. Nony maraina anefa, vatana efa mangatsiaka no hita tao. Matin’ny daroka ilay lehilahy ary rehefa nampandrenesina ny zandary noho ny fisian’ny fahafatesana, dia nanokatra ny fanadihadiana mifandraika amin’izany. Mateti-pitranga ny fitsaram-bahoaka noho ny tsy fahatokisan’ny olona intsony ny rafitra izay misy. Isan’izany ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsarana. Diso hatrany ny fiheverana fa kolontsaina ny mamalifaty na koa tsy fahafantarana ny lalàna izay misy ny antony mahatonga ny olona hanao fitsaram-bahoaka. Porofon’izany, tao anatin’ny fito taona izay, no tena niverimberina ny fitsaram-bahoaka, vanim-potoana izay nahatafalatsaka anaty fahantrana lalina ny firenena noho ny krizy izay nisy. Tao anatin’izay ihany koa no tena nirongatra ny kolikoly. Voamarin’ny tarehimarika fa faharoa eto amin’ny Kaontinanta Afrikana isika amin’io lafiny io. izany rehetra izany no mitambatra no lasa nampirodana ny fifampitondrana eo amin’ny fiarahamonina ; izay lasa mandala hoazy ny fitsaram-bahoaka. Tsiahivina hatrany anefa fa heloka bevava izany…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici