- Publicité -
samedi, mai 31, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimanambola : Nodarohiny ny "crush"-ny, hitany nampiaraka tamin'ny olon-kafa

Ambohimanambola : Nodarohiny ny « crush »-ny, hitany nampiaraka tamin’ny olon-kafa

« Tsy nieritreritra ny hanendaka ireo mpifankatia izy fa kosa tsy zakany ny nahita ny « crush »-ny (ndlr crush : olona tsiriritina) nampiaraka tamin’ny lehilahy hafa … ». Hafa dia hafa mihitsy ity tranga niseho tetsy Andraisoratra, Ambohimanambola ity, ny voalohandohan’ny herinandro teo. Lehilahy iray no voarohirohy tamin’ny resaka fanendahana sy fandratrana mpifankatia teny an-toerana. Voasambotra ary natolotra teny anivon’ny Fampanoavana afakomaly. Raha ny vaovao azo dia mpifankatia sendra « nampiaraka » teny an-toerana no voalaza fa nisy nanendaka, rehefa nodarohin’ity mpanendaka ity tamin’ny « barre à pince » ilay tovovavy. Nihanaka vetivety ny feo sy ny antso vonjy ary raikitra ny fanenjehana nataon’ireo fokonolona. Tonga haingana ihany koa ireo zandary rehefa naheno ny antso. Niezaka ny niafina ireo mpanenjika azy anefa ingahy ary namadika ny akanjony, mba hoe tsy hisy hahafantatra. « Vao maika anefa izany nahafantarana azy satria ny olona rehetra tsy misy manao akanjo mivadika raha tsy léry irery (…) mbola tratra tany aminy lay barre à pince namelezany ilay vehivavy » hoy ny zandary. Noraisim-potsiny araka izany ingahy ary nentina natao famotorana. Nandritra izany no « namoahany ny marina fa tsy mieritreritra ny hanendaka ireo mpifankatia izy fa kosa efa notsiriritiny efa ela Ilay vehivavy ka tsy zakany ny nahita ity « crush-ny » nampiaraka ka dia izao nogafiany izao. Mbola tsy nitory fitiavana tamin’io crush-ny io mihitsy anefa izy fa nijanona ho mpankafy teny foana ». Raha ny voalazan’ireo mpanao famotorana dia tovolahy avy ny Anosizato ingahy no io tonga nitsikilo sy nandratra ny « crush-ny » io. Mazava ho azy fa vono sy ratra natao fanahy iniana no hanenjehana an’ity tovolahy ity, antony nahatonga ireo mpitsara mpanao famotorana nampiditra azy am-ponja vonjimaika eny Antanimora, miandry ny fotoam-pitsaràna. Koa dia inona moa izany fa voa roa araka ny fitenenana ingahy satria ny « crush » tsy azo, ny fiainana ho simba any am-ponja.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici