Nankalaza ny Noelin’ny DGSR ny teo anivon’ny Foibe Fitsarana Fiarakodia na ny DGSR, teny Ankadindratombo ny talata lasa teo. Lanonana ary asa sosialy nentina nampifalina ireo mpiasa sy ny vady aman-janany, ka nanomezan’ny tale jeneralin’ny DGSR, ny jeneraly Reribake Jeannot sy ireo mpiara-miasa aminy fanomezana marobe ireo vady aman-janaky ny mpiasa rehetra eo anivon’ity sampan-draharaha manerana an’i Madagasikara. Ankoatra ny fanomezana mifandray amin’ny fetin’ny Noely dia notsarovana manokana ihany koa ireo zanaky ny mpiasa afa-panadinana sy ireo misy fahasembanana. Samy nahazo ny anjarany ny rehetra, ary araka ny hafatra nataon’ny tale jeneralin’ny DGSR dia hianoka anaty fety ieren-doza ny rehetra.
Nanipy teny moa ity farany fa misy ny fepetra raisin’ny eo anivon’ny Foibe Fitsarana Fiarakodia ho an’ny mpitatitra rehetra mba hisorohana ny loza anatin’izao fetin’ny faran’ny taona izao. Mampatsiahy ny tale jeneralin’ny DGSR fa tokony hifanentana ny rehetra manoloana ny fanarahan-dalàna, toy ny tsy fandraisana zava-pisotro misy alikaola rehefa mitondra fiara, ny fandehanana mafy, ny fandraisana finday eo am-pamiliana sns. Eo ihany koa ny fampanarahan-dalàna ny taratasin’ny fiara rehetra. « Ndao ifanentana isika. Ataovy ara-dalana ny taratasin’ny fiara. Ny fanarahan-dalàna ihany no fisorohana ny lozam-pifamoivizana», hoy ny fanamafisana.
Nanao jery todika ny fotoam-piasany sy ny nandraisany ny fitantanana tamin’ity taona 2024 ity ny DGSR ihany koa ny tale jeneraly ka nilazany fa fahombiazana sy afa-po tamin’izany izy sy ny mpiara miasa aminy. Anisan’ny ady lehibe ny ady amin’ny hosoka sy ny fampiasana hosoka, ny ady amin’ny kolikoly anatiny na ivelany ka nahitam-bokany izany teo anivon’ny fitsarana fiarakodia. Ny fampiasana ny teknolojia vaovao toy ny fampiasana QR code amin’ny taratasy ampiasana eo anivon’ny DGSR, ny fitsirihana ireo fiara mpitatitra mialoha ny hiaingana. Araka izany, manentana ny rehetra mba samy handray ny fepetra mifanandrify azy ny tsirairay avy ny DGSR mba ho fety lavitry ny loza ny vahoaka.
Yv Sam