Zava-nitranga teoamin’ny “plaque relax” Ankirihiry ny faran’ny herinandro teo ity fandarohana polisy manao ny asany an-dalam-be ity; ka tamin’izay dia nitsoaka ilay mpamily ny fiara “taxi-brousse” mpanao zotra Toamasina – Fenerivo Atsinanana ity. Nokarohana izy taorian’izay satria fantatra ny momba azy, ka ny alatsinainy teo dia nitolo-batana teny amin’ny biraon’ny polisim-pirenena ny tenany, ary nanomboka teo ny fakana am-bavany azy nataon’ireto polisy misahana ny raharaha.
Teny amin’ny kaomisarian’ny Bazar kely moa no nitolo-batana ny tenany, ka nandritra ny fakana am-bavany azy no nahalalana fa raha nosavain’ilay polisy mitondra “moto” ny tenany dia taratasy tokana dia ny “carte grise” fotsiny no teny aminy. Nilaza ilay polisy nandritra izany fa tsy afaka miasa ilay fiara noho taratasiny tsy ara-dalana sy tsy feno, ka teo dia nivoaka ny fiara ilay mpamily ary avy hatrany dia nidaroka ilay polisy nanakana azy. Tsy vitan’izany fa nalainy koa ny findain’ilay polisy sy ny fanalahidin’ny moto teny amin’ilay polisy ary lasa nitsoaka ny tenany izay nifampitadiavana taorian’izay satria voageja ilay fiara “mazda” mena manao “taxi-brousse” mianavaratra ity. Efa polisy handeha hisotro ronono tsy ho ela ity polisy voadaroka ity ka naratra mafy teo amin’ny lohany izay nahazoany tsy fahafahana miasa mandritra ny 18 andro tamin’ny mpitsabo nitondran’ny olona azy. Raha vita ny fanadihadiana nataon’ny polisy tamin’ity mpamily dia avy hatrany dia niakatra fampanoavana ny raharaha, ka nahazoan’ity mpamily nidaroka polisy am-perinasa ity famonja vonjimaika ao Ambalatavoahangy.
Taorian’ity fidirana am-ponja ity dia maro ireo olom-panjakana teto Toamasina noho ilay mpamily ity mpiara-dia amin’ny mpanao politika ihany koa; nefa hatreto dia tsy milefitra ireo mpitandro filaminana amin’ireo fanelanelanana samy hafa mitranga ankehitriny.
Malala Didier