- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Nohamafisina ny ady amin’ny jiolahy

Toamasina : Nohamafisina ny ady amin’ny jiolahy

Manomboka izao, nilaza ny teo anivon’ny mpitandro filaminana fa hohamafisina ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana. Tsy maintsy mikatona amin’ny folo ora alina ireo trano fisotroana sy ireo fanaovana karaoke, hoy ireo tompon’andraikitry ny filaminana nanao ny fihaonam-beny teny amin’ny lapan’ny faritra atsinanana Mangarano II. Nitarika izany mihintsy ny tonia mpampanoa lalana ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina sy ny prefen’I Toamasina ary ireo lehiben’ny fitandroana ny filaminana ato Toamasina. Vokatra izany dia nisy ny fidinana ifotony nataon’izy ireo ny alina niarahana tamin’ny Atoa Vahiny Yvi Sandro lehiben’ny fampanoavana sy ny Atoa Benandrasana Cyrille ary ireo mpitandro ny filaminana. Maromaro ireo trano fisotroana nojerena amin’ny fikatonany amin’ny folo ora alina araka ny lalana manan-kery, ka amin’ny ankapobeny dia milamina sy manaraka ny toro hevitra avokoa ireo trano fosotroana nojeren’izy ireo. Natao moa izao hoy ny prefen’I Toamasina sy ny tonia mpampanoa lalana mba hitandroana ny filaminam-bahoaka eto Toamasina sy ny filaminan’ny Tanana amin’ny andro alina. Ankoatra izany anefa dia fantatra izao fa ny herinandro teo vao maraina tao Tanambao V, dia andian-jiolahy teo nirongo basy sy nitondra moto scooter telo lahy no nandrava “cash point” iray tao Tanambao fahadimy. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny vola 400.000 ariary sy finday telo an’ilay “cash point” ary ny poketran’ilay mpihazona ilay “cash point”. Vao nahazo ny vola moa izy telo lahy dia lasa ary tsy nisy ny maty sy ny naratra nandritra ny fanafihana natao’izy ireo. Mitohy ny fanadiadiana hoy ny polisy misahana ny raharaha tamin’ny alalan’ny lehibeny. Mbola mitohy hatramin’izao ilay fanaraha-maso fanaony polisim-pirenena ireo trano fisotrona tsy mikatona amin’ny folo ora alina isan’andro; ka misy ny sazy omena ireo mikiry biby manokatra izay mihoatra ny ora voatondro io.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici