- Publicité -
vendredi, mai 9, 2025
AccueilFaits-DiversNoheverina ho varira : Zazavavy kely notapahin-doha ary nendahina ny masony

Noheverina ho varira : Zazavavy kely notapahin-doha ary nendahina ny masony

Habibiana tsy roa aman-tany ! Lohan-javavikely, manodidina ny efa-taona any ho any, efa tsy misy maso sy lela intsony ho hitan’ny fokonolona, ny faran’ny herinandro teo, tao Camp Robin. Fantatra avy hatrany moa fa ilay zaza nisy naka an-keriny tao amin’ny tokantrano iray tany an-toerana ity sisam-batana mangatsiaka hita ity. Ny andron’ny valo martsa lasa teo, raha ny fampitam-baovao azo no nitrangan’ny fanafihana ny tokantrano iray tao an-toerana. Noratrain’ireo olon-dratsy ny raim-pianakaviana ary nalain’izy ireo an-keriny ilay zaza. Nandeha avy hatrany ny fikarohana ity zaza ity taorian’io, saingy izao efa vatana mangatsiaka izao sisa no hita. Raha ny voalaza, dia ankevitry ny noheverin’ireo mpaka an-keriny fa zaza varira ity ankizy, kanefa zaza fotsy fihodirana sy gara maso fotsiny izy ireo, hoy ireo fianakaviana. Izay antony izay no antony nangalàn’ireo tsy vanona ny masony sy ny lelany. Efa tonga teny an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy sy nitsapa alahelo ny fianakaviana ireo tompon’andraiki-panjakana tany an-toerana. Ny raharaha kosa, ny fikarohana ireo nahavanon-doza sy ny fanadihadiana mifandraika amin’izany dia efa eny an-tanan’ireo mpitandro filaminana.

Nangonin’i m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

  1. la prolifération d’insécurité à Mada du jamais vu! Mes meilleurs condoléances à ses proches! Mais, que fait-t-il, le Fanjakana???????????

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici