
Valo lahy izy ireo. Izany hoe samy manana iray hetsy ariary avy ho tambin’ny famonoana ny Sefo fokontany iray tany amin’iny kaominina Mahatsinjo, distrikan’i Vondrozo iny, ny tapatapaky ny volana desambra lasa teo. Antony, voalaza fa toa hoe tsy nizara avy hatrany ny vola azo tamin’ny fampielezan-kevitra ! Ny faran’ny taona teo, nivaly ihany ny famotorana nataon’ireo zandary tany an-toerana, tamin’ny raharaha famonoana an’io Sefo fokontany io. Tamin’io fotoana io mantsy dia fantatra ireo olona isan’ireo nandray anjara tamin’ity vono olona mahatsiravina nitranga tany an-toerana ity. Nahatratra valolahy izy ireo, izay samy monina ao Ampataka, ao amin’io kaominina io ihany. Nentina avy hatrany nihazo ny renivohitry ny kaominina izy ireo ho amin’ny famotorana. Teny an-dalana anefa, raha ny fampitam-baovao azo dia niezaka ny hitsoaka ny roalahy. Teo Ambatsila, roa kilaometatra miala an’i Mahatsinjo izy ireo nitsambikina ny fiara nitondra azy ireo. Raikitra avy hatrany ny hazalambo sy ny fifanenjehana tao anaty maizina. Voatery nitifitra ny zandary taorian’ny fampitandremana ka nahavoa azy roalahy. Maty tsy tra-drano ! Nahita izay moa ireo ambiny ka nifitsaka tsara. Ny herinandro teo izy ireo no natolotra ny Fampanoavana ary nadoboka am-ponja avokoa. Marihana fa nambaran’ny fokonolona fa izy ireo ihany no tompon’antoka tamin’ny famonoana ny sefo fokontany iray tany an-toerana ihany teo aloha (tany ho any amin’ny volana may 2024 tany ho any), noho io antony voalaza etsy ambony io ihany.
m.L