- Publicité SW45 -
samedi, décembre 21, 2024
- Publicité -
AccueilÀ lireRN2 : Nolavahana, hitadiavana volamena

RN2 : Nolavahana, hitadiavana volamena

Raha tara kely dia mety efa ho lavaka mangotanana no teto izay mety hiteraka fihotsahan’ny lalana

Manaraka « filon », na tohizam-bato nahitàna volamena izy ireo, ary niafara tao ambanin’ny lalam-pirenena faharoa iny. Tsy nanakana ireto mpitrandraka anefa izany fa dia nohadian’izy ireo soa aman-tsara ny tao amin’ity araben’ny RN2. Nisy nahita izy ireo, notongavan’ireo tompon’andraikitra avy hatrany ary nosamborina. Tranga niseho teo amin’ny PK176, anelanelan’Ampasimbe sy Benanandrambo, ao anatin’ny distrikan’i Brickaville.

Noraisina avy hatrany ho fanimbana fotodrafitrasa iombonana ity tranga ity, ary izay indrindra aza no vesatra nanenjahana ireto olona ireto. Indrindra moa fa hoe anisan’ny foto-drafitrasa stratejika iny lalam-pirenena faharoa. Araka ny fampitam-baovao, hita tao amin’ny pejin’ny ministeran’ny asa vaventy dia ny alarobia alina teo no tra-tehaka ireto « fanetriben’ny firenena » ireto, teo am-pandavahana mihitsy. Nisy nahatsikaritra mantsy ireo, teo am-panaovana izay lavaka, tao ambanin’ny RN2 izay ka niantsoana mpitandro filaminana haingana. Nidina avy hatrany teny an-toerana ireto farany. Ny efatra tamin’ireo olon-dratsy no tra-tehaka tsy afa-niala intsony, raha voalaza fa nisy naman’izy ireo tafaporitsaka. Marihana, hoy hatrany ny filazan’ny teo anivon’ny ministera, fa niteraka lavaka be tao ambanin’ny lalam-pirenana faharoa ity fanimbana nataon’izy ireo ity. Soa ihany fa hita nialoha izany ary nahafahana nandray fepetra haingana, raha tsy izany dia mety ho niteraka fahatapahan’iny lalam-pirenena iny mihitsy ity tranga ity.

Ny alatsinainy teo no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana tao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana tao izy efa-dahy ireto ary nadoboka am-ponja vonjimaika, miandry ny fotoam-pitsaràna. Eto dia « mampitandrina ny minisiteran’ny Asa Vaventy mahakasika ny tranga fangalarana na fanimbana ireny fotodrafitrasan’ny lalana ireny, fa mahavoasazy enimbolana ka hatramin’ny dimy taona an-tranomaizina (…) »

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici