
Tao amin’ny renivohitry ny kaominina Antsirabe II, Andranomanelatra no nanatontosana ny lanonana ara-panjakana nametrahana ny samboadin’ireo olom-boafidy ho ben’ny tanana ao amin’ny dsitrika Antsirabe faharoa. Miisa 20 mianaday izy ireo no nosalorana ny samboady ny Sabotsy 26 Aprily lasa teo.
Minisitra efatra avy amin’ny governemanta notarihan-dRtoa Rasata Rafaravavitafika Minisitry ny raharaham-bahiny no tonga teto Antsirabe nanome voninahitra ity fotoana ity notronon’ny governoran’ny faritra sy ny mpiara-dia aminy ankoatra ireo manam-pahefana miaramila sy sivily sy ny solombavambahoaka .
Tompon’andraikitra voalohany amin’ny fampandrosoana eny ifotiny ny ben’ny tanana hoy ireo manamp-pahefana ka ilaina ny fanohanana azy amin’ny lafiny fitantanana hanatsarana ny fari-piainan’ny mponina.
Ho an’ny kaominina Andranomaneletra manokana, ity no “mandat” fahatelo hitantanan’ny ben’ny tanana Atoa Rasolofondramaria Andriamiarisoa Renaud fantatra amin’ny anarana ho “Baina”. Midika izany fa niantefa tamin’ny vahoka ny fitondrana tsara tantana nasehoko matoa mbola nemetrahan’ny olona fitokisana ny tenako. Mbola maro ny adidy sy andraikitra miandry hoy izy amin’ny fampandrosoana ary tsy tokony asiana loko politika ny fitantanana fa tokony hitovy ny fomba fijery mba hampirindra sy hampandroso ny asa.
Nandritra ny fitantanany tao anatin’ny telo taona nifandimby izao no nahazoana ny kaomisarian’ny polisy ho an’ny distrika Antsirabe II izay miandry fitokanana azy sisa, ary efa andalam-panamboarana ihany koa ny kianja manara-penitra ao Andranomanelatra ao.
Andry N.