- Publicité SW45 -
jeudi, juillet 4, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTsihombe : Nosamborina tao an-tranony ny depiote

Tsihombe : Nosamborina tao an-tranony ny depiote

Ny ampitson’ny nahamay ny biraon’ny distrika sy ny Ceni tao Tsihombe (Androy) dia tonga tao amin’ny tranon’ny depiote Masy Goulamaly Marie Jeanne d’Arc ny mpitandro ny filaminana nirongo basy. Nalaina tao an-toerana izy ary nentina avy hatrany teny amin’ny birao mba hatao famotorana.  Mazava ho azy fa mahakasika io fahamaizan’ny tranom-panjakana sy tranon’ny vaomieram-pifidianana no anton’izany. Tsy nandà ny fisamborana azy ity depiote mbola amperinasa ity fa kosa nampatsiahy ny mahakasika ny “immunité parlementaire” izy tamin’ireo zandary sy polisy ary miaramila marobe tonga naka azy. “Mbola solombavambahoaka aho ary mbola misitraka ny zo ara-dalàna mahakasika ny ’immunité parlementaire’ hatreo”, raha araka ny fanazavany tamin’ireo. Tsy nahasakana ireo mpitandro ny filaminana tonga nanatontosa baiko anefa izany. Depiote tsy miankina i Masy Goulamaly ary nifanakaiky tamin’ny antokom-pitondràna nandritra ny fandalovany tao Tsimbazaza. Taty aoriana anefa dia nanangana ny antoko politika AMM (Avotantsika Miaraka I Madagasikara) ary io loko io rahateo no nentiny nilatsaka ho kandidà depiote tamin’ny fifidianana farany teo. Tao anatin’ny fidirany an-tsehatra tamin’ny haino aman-jery dia tsy nisalasala nitondra tsikera ity depiote ity amin’ny zava-misy ankehitriny. Isan’ny betsaka nanaraka izy noho ny fahasahiany miteny mahitsy. Saingy mazava ho azy fa nisy koa ny tsy faly ary toa miandry kihon-dàlana hafahafa fotsiny mba hikopahana afo. Dia toy izany foana ny politika eto amin’ny firenena…

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici