Ny fiandohan’ny herinandro teo, tratra tao amin’ny seranan-tsabo tany Nosy be ny basy lava miisa 18, basy poleta telo ary bala anarivony maro, 6 000 hoy ny vaovao. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa, nisy conteneur iray izay nampiahiahy ny olona. Nisy ny nampandre ny tompon’andrikitra ka niroso tamin’ny fisavana. Notadiavina ny tompon’ilay vata vy ary tsy hita sady tsy fantatra, hoy hatrany ny vaovao. Tapaka ny hevitra fa hovahana ilay conteneur. Ny mpitandro filaminana no nanao izany. Tamin’izany no nahitana an’ireo fitaovam-piadiana ireo. Natao ny fijerena ny tao anatin’ilay vata vy ka tamin’izany no nahatratrarana ireo fitaovam-piadiana ireo.
Hatramin’izao, tsy fantatra izay tompon’ireo zavatra ireo. Nanamarika ny tompon’andrikitra, araka izany, fa nampidirina antsokosoko ireo fitaovam-piadiana ireo. Nisy ny nanamarika fa tena misy tambazotra matanjaka aorian’ity fampidirana basy ity. Efa misokatra ny famotorana isan-karany ka ny OMC any an-toerana no miandraikitra izany. Heverina fa avy amin’izany no tsy maintsy ahalalana ny tena marina amin’ity fahatratrarana basy sy bala ity.
Nangonin’i r.s.