Teratany vahiny, frantsay raha araka ny fanamarihana azo, no hita faty tao Nosy-Be. Tao amin’ny trano iray ao amin’ny fokontany antsoina hoe Kibanivato-Dzamandzar no nisy nahatsikaritra izany ny alin’ny alahady teo. Nidina an-tsehatra nijery ny razana ny mpitsabo mpijery faty ary koa ny zandary mpanao fanadihadiana. Hatreto dia mbola tsy voafaritra ny anton’ny fahafatesana. Isan’ny handràsana arak’izany ny valin’ny fitiliana ny razana mba hahazoana mamariparitra izay mety ho nitarika ny fahafatesana. Manodidina ny 50 taona ity teratany vahiny izay namoy ny ainy ity. Manambady aman-janaka izy raha araka ny fanamarihana azo hatrany.
D.R