dimanche, avril 20, 2025
AccueilFaits-DiversNosy Be : Mpanjono am-polony maro very an-dranomasina

Nosy Be : Mpanjono am-polony maro very an-dranomasina

Nahatratra teo amin’ny 46 teo izy ireo niainga teny amin’iny morontsirak’i Nosy Be, niaraka tamin’ny lakan’izy ireo. Ny sasany tamin’ireo mpanjono sy mpiandriaka ireto dia efa niainga ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy lasa teo. Hatramin’ny omaly hariva anefa, ny antsasak’izy ireo ihany no hany tafaverina soa aman-tsara an-tanety ary lakana roa no efa hita.

Nanomboka hatramin’ny afakomaly antoandro no efa nitangorona sy velom-pitaintainana teny amorom-pasik’Ampasy fokontany Dzamandzar, Nosy Be ireo fianakavian’ireto mpiandriaka ireto. Raha ny tokony ho izy mantsy dia efa tokony ho tafaverina efa ela ireo havan’izy ireo. Etsy andanin’izay, ireo izay nantsoina dia tsy tratra antso intsony. Araka ny fanazavana azo tokoa mantsy, ratsy dia ratsy ny andro any an-toerana, tamin’io alakamisy maraina io ka ahiana ho very na niharan-doza izy ireo. Voalaza mihitsy aza fa hoe nisy tafio-drivotra sy rambodanitra tany an-dranomasina tany, antony nahatonga ny fanahiana tamin’ireo fianakaviana ireto.

Ny alakamisy hariva teo, rehefa tsy nisy tafaverina an-tanety mihitsy ireo lakana nandeha nandriaka, dia efa nandray ny andraikiny ireo tomponandraikitra rehetra tany an-toerana. Nisy ny filazàna olona very an-dranomasina. Niditra an-tsehatra teo noho eo ihany ny avy eo anivon’ny Apmf (antokon-draharaha miandraikitra ny fifamoivoizana an-dranomamy sy an-dranomasina) nampian’ireo mpitandro filaminana tany an-toerana, nandefa sambo kely haingam-pandeha hitady ireto mpanjono very ireto. Tamin’io omaly hariva io ihany dia roa tamin’ireo mpanjono no efa hita. « Reraka tanteraka » hoy ny angom-baovao azo. Nitohy hatrany ihany izany nandritry ny andron’ny omaly ka io nahatratra 23 io, ireo mpiandriaka tafaverina soa aman-tsara teny anivon’ny fianakaviany hoy ny vaovao. Mbola mitohy hatrany moa ny fikarohana ataon’ireo tomponandraikitra an-toerana. « Tsikaritra ho nahitàna ny sasany tamin’izy ireo teny Antanibe-Andrefa, distrika Ambanja sy teny amin’ny moron-dranomasin’ny nosy Sakatia. Hatreto (omaly hariva) dia tsy mbola nisy ny olona namoy ny ainy na ny naratra na nahenoana lakana nivadika »,  raha ny fampitam-baovao azo.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici