Saika efa tafaverina avokoa ny ankabeazan’ireo mpanjono very an-dranomasina, taorian’ilay andro ratsy nisy tany an-toerana, ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy lasa teo, ny zoma lasa teo ihany. Mbola nisy ireo somary lasa lavidavitra mihitsy, sy tavela teny amin’ny torapasik’ireo nosy manodidina ka niandry ny sabotsy vao azo novonjena. Fantatra kosa anefa, raha ny vaovao azo hatrany, fa ny andron’ny sabotsy teo dia mbola nisy efatra tamin’ireo mpanjono no tsy mbola hita, ary ny mampalahelo dia nisy iray tamin’izy ireo no voalaza ho namoy ny ainy. Tsiahivina fa nahatratra teo amin’ny 46 isa teo ireto mpanjono ireto, izay saika avy ao amin’ny tanànan’Ampasy Nosy Be avokoa, no nandeha niandriaka ary io samy niharan-doza io avokoa.
m.L